FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

ZAIKAKELIN'NY KTLM SP FLME
Flm Mazargues le 18/04/2017, 15 03 36 (UTC)
 Hanatrika ny Isantaonany ny tanorantsika ny 21-22-23 aprily ho avy izao. Toerana Fileovana Strasbourg.
Aoka samy hitondra ambavaka ny fotoana, mba ho tomombana eo ambany fitarihan'ny Tompo ny fotoana.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany
 

ISAN- DROAVOLANA FITANDREMANA FLM MARSEILLE Asabotsy 08 Avril – Alahady 09 Avril 2017
FLM Mazargues le 06/04/2017, 14 02 56 (UTC)
 FIVORIANA ISAN- DROAVOLANA FITANDREMANA FLM MARSEILLE
Asabotsy 08 Avril – Alahady 09 Avril 2017
FANEVA : « Aoka ho aminareo ny saina tao amin'i Kristy Jesosy, Izay.....naka ny endriky ny mpanompo. » Filip. 2 : 5-7
Toerana : FLM Marseille, Chapelle Ste Claire, 62 rue Cade-Mouton 13014 Marseille
ASABOTSY : manomboka amin’ny 4 ora sasany tolakandro
ALAHADY: manomboka amin’ny folo ora sasany.

Hisy fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy fiaraha-misakafo aorian’ny fotoana

Hafatra :

Ankoatry ny rakitra dia hisy solom-bokatra amin'ny valopy ka aoka ho vonona isika, izany no natao dia fanatevenana ny kitapon'ny Fitandremana hanefany ny adidiny izay maro tokoa
Aza adino ny fiarahantsika mivavaka ary aoka samy hitrotro am- bavaka ny fotoana rehetra isika.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

Alahady 2 aprily 2017
flm mazargues le 31/03/2017, 16 04 19 (UTC)
 Ny alahady 2 aprily 2017 dia ao Sainte-Claire ny fiangonana
Hisy fanokanana ho pastora an'andriamatoa Lotera Patrick (ordinasiona).
Tsy misy arak'izany ny fotoam-pivavahana ao amin'ny FLM Mazargues
 

Asabotsy 1 aprily 2017: HETSIKA FDL Fitandremana Marseille
Komitin'ny FDL Fitandremana Marseille le 25/03/2017, 20 08 44 (UTC)
 HETSIKA FDL Fitandremana Marseille

Ny Fikambanan-Dehilahy Loterana (FDL) Fitandremana Marseille dia manasa antsika hanotrona azy amin’ny hetsika ataony ny asabotsy 1 aprily 2017 amin’ny 6 ora sasany tolakandro.
TENY FANEVA: « …raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanittra » Jaona 11 :40b
Toerana : Chapelle Sainte Claire, 64 rue Cade Mouton 13014 Marseille
Fandaharana :
-Fankalazana
-Fiaraha-mijery sarimihetsika: nalaina tamina tantara marina: "MALGRE TOUT" - Josh McDowell,
-Hisy fivarotana tsakitsaky voakaly amin'ny "barquette" sy zavam-pisotro (5 euros)
Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany
 

ZAIKAKELY FIFIL 18-19 marsa 2017 Marseille
FLM Mazargues Marseille le 12/03/2017, 15 03 27 (UTC)
 FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
SYNODAM-PARITANY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY EOROPA (SP-FLME)
18-19 marsa 2017
Zaikakely faha-18 ny Firaisan’ny Fifohazana Loterana -FIFIL

TENY FANEVA: « Aoka isika handeha amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitsika mandrakizay doria » Mika 4:5b
Toerana: Chapelle Sainte Claire, 62 rue Cade-Mouton 13014 Marseille

Asabotsy 18 marsa 2017:
-13 ora: Fandraisam-bahiny
-14 ora: Fotoam-pivavahana fanokafana:
Alahady 19 marsa 2017 :
-10 ora sasany: Fotoam-pivavahana Litorzika

Aoka samy hitondra ambavaka ny fotoana.
Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra ary misaotra antsika amin’ny anaran’i Jesosy.
Tsindrio eo ambony ny fandaharanaz pdf


 

<- En arrière  1 ...  9  10  11  12  13  14  15 16 

Continuer->

 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement