FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

ISAN- DROAVOLANA NOVAMBRA FITANDREMANA MARSEILLE.
FLME Mazargues Marseille le 21/11/2017, 12 12 58 (UTC)
 ISAN- DROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE.
- Asabotsy 25 novambra 2017 amin'ny 4 ora sasany tolakandro
- Alahady 26 novambra 2017 amin'ny 10 ora sasany maraina.
Faneva: " Isaorana Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika", 1 Kor. 15: 57.
TOERANA: Chapelle Sainte Claire - 62 rue cade-mouton 13014 Marseille

*HAFATRA:
-Aoka hotrotrointsika am- bavaka ny fivoriantsika.
-Hisy valopy ho solom- bokatra ny Alahady maraina.
-Ho an' Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
 

ALAHADIN'NY KATEKISTA 5 novambra 2017
FLME Mazargues le 23/10/2017, 09 09 05 (UTC)
 Isaorana ny Tompo fa mbola afaka hiara-mankalaza ny ALAHADIN’NY KATEKISTA isika eto amin’ny FLME Mazargues ny alahady 5 novambra 2017.
FANEVA: "Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo." Romana 12:11
Entanina isika tsirairay mba hiomana amin’izany fankalazana izany.
Ho voninahitr”Andriamanitra irery ihany.
 

ISANTAONA SP-FLME 2017 Strasbourg
FLME Mazargues le 23/10/2017, 09 09 04 (UTC)
 Zoma 27- sabotsy 28- alahady 29 oktobtra 2017
-FANKALAZANA NY FAHA-500 TAONAN'NY REFORMASIONA SY NY FAHA-150 TAONAN'NY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY.
-ISANTAONA SP-FLME 2017

TENY FANEVA : "Ny marina amin'ny finoana no ho velona." Rom 1:17.
Toerana: Eglise Protestante Saint-Paul – 35 rue de la Tour 67200 Strasbourg.

Aoka samy hitondra ambavaka ny fivoriana.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

ISAN- DROAVOLANA OKTOBRA FITANDREMANA MARSEILLE.
FLME Mazargues le 30/09/2017, 13 01 19 (UTC)
 ISAN- DROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE.
- Asabotsy 07 oktobra amin’ny 4 ora sasany tolakandro
- Alahady 10 oktobra amin’ny 4 ora tolakandro
FANEVA: " “Ny sabata no natao ho an' ny olona", Mk. 2: 27
TOERANA: Eglise Protestante Unie de France, 8 Boulevard Magnan, 13009 Marseille.

*HAFATRA
-Aoka hotrotrointsika am- bavaka ny fivoriantsika.
-Hisy valopy ho solom- bokatra ny Alahady maraina.
-Ho an' Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra!

Ny programa tsindrio eny ambony
 

Sortie SALOMA Fileovana
FLM Mazargues le 19/09/2017, 14 02 42 (UTC)
 Ny asabotsy 23 septambra 2017 ho avy izao no natokan’ny SALOMA (Sekoly Alahady) ny Fileovana Marseille hiarahan’ny ankizy hifankahita sy hifankafantatra. Ny Toerana dia : Le Grau-du-Roi, Gard. Ary hisy fitsidihana ny LE SEAQUARIUM Avenue du Palais de la Mer 30240 LE GRAU DU ROI.
Ahazoan’ny zanatsika mijery akaiky ireo zavamananaina maro: dauphin, tortue de mer sy ny maro hafa.
http://www.seaquarium.fr/
Ny SALOMA Fileovana Marseille dia ahitana ny FLM Montpelier, FLM Marseille Sainte Claire, FLM Nice, FLM Geneve, FLM Toulouse, FLM Mazargues Marseille.
Aoka hitondra ambavaka izany isika. Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany
 

ISAN- TELOVOLANA septambra 2017 FILEOVANA MARSEILLE
FLM Mazargues le 04/09/2017, 08 08 52 (UTC)
 ISAN- TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE.
- Asabotsy 09 septambra amin’ny 4 ora tolakandro
- Alahady 10 septambra amin’ny 10 ora sasany maraina
FANEVA: " Aoka ho tanteraka ianareo, toy ny fahatanterahan' ny Rainareo izay any an- danitra ", Matio. 5 : 48.
TOERANA: FLM Marseille, chapelle sainte Claire, 62 rue cade-mouton, 13014 Marseille.
HAFATRA
-Aoka hotrotrointsika am- bavaka ny fivoriantsika.
-Hisy valopy ho solom- bokatra ny Alahady maraina.
-Tongava maro; ary aoka samy hahatsiaro ny fiantsoan' Andriamanitra antsika ao amin' ny Fiangonany amin' ny hiarahantsika mivavaka sy hanao ny asany.
-Ho an' Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra!

Ny programa tsindrio eny ambony
 

<- En arrière  1 ...  9  10  11  12 13  14  15  16 Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement