FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

Fiovan-toerana ivavahana ny alahady 25 marsa 2018
FLME Mazargues Marseille le 24/03/2018, 08 08 27 (UTC)
 Mivory eto amin’ny fileovana Marseille ny KMSP: Komity Maharitry ny Synodam-Paritany, ny 24-25 Marsa 2018.
Tsy misy arak’izany ny fotoam-pivavahana hariva ao Mazargues ny alahady 25 marsa fa hiaramivavaka amin'izireo eny amin'ny Chapelle Sainte Claire, 62 rue cade-mouton 13014 isika.
Fanombohana: 10 ora sasany.
 

HERINANDRO MASINA 2018
FLME Mazargues Marseille le 24/03/2018, 08 08 14 (UTC)
 26-27-28-29-30 marsa 2018: HERINANDRO MASINA

Faneva: " Fa voahombo kristy, pasaka ho antsika", 1 Korintiana 5: 7b

-Ny 26-27-28-29 amin'ny 7 ora sasany hariva.
Toerana: Chapelle Sainte Claire, 62 rue cade-mouton 13014 Marseille.

- Ny zoma masina: 30 marsa amin'ny 7 ora hariva .
Fiaraha-mivavaka amin' ny rahalahy Katolika Frantsay.
Toerana : Chapelle Saint-Joseph, 72 rue Paul Coxe 13014 Marseille.

Hafatry Pastora :
- "Hevero ny fiantsoana anareo ry rahalahy", 1 Korintiana 1. 26a.
- Ho voninahitr' Andriamanitra irery ihany!
 

Isan-telovolana 10-11 marsa 2018
FLME Mazargues Marseille le 03/03/2018, 17 05 39 (UTC)
 Ny Asabotsy 10 - alahady 11 marsa dia ny Fitandremana Marseille no hampiantrano ny isan-telovolan'ny Fileovana Marseille.

Teny faneva: "Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen' ny Zanak' Olona anareo". Jao. 6: 27a .
Toerana: Chapelle Sainte Claire, 62 rue cade-mouton 13014 Marseille

Asabotsy 10 marsa 2018:
- Fandraisam-bahiny: 1 ora sasany-2 ora sasany.
- Fivorian' ny sampana samihafa: 02 ora sasany - 03 ora sasany
- Fanombohana: 3 ora sasany.

Alahady 11 marsa 2018:
- Sekoly Alahady: 09 ora 20mn - 10 ora 20mn.
- Fotoam-pivavahana litorjika: 10 ora 30mn.
- Fandraisana ny fanasan'ny Tompo

Fiaraha-misakafo

HAFATRY PASTORA:
- Aoka hotrotrointsika am-bavaka ny fivoriantsika.
- Hisy valopin' ny fivoriana ho rakitra faharoa hanatevenana ny kitapon' ny Fileovana ny alahady maraina.
- Ho voninahitr' Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika!


 

ZAIKAKELY FBL FLME 2018
FLME Mazargues Marseille le 12/02/2018, 10 10 07 (UTC)
 ZAIKAKELY FBL FLME 2018
Ny Fileovana Paris no hampiantrano ny ZAIKAKELY faha-19 ny FBL eto amin’ny synodam-paritany FLME.
Fotoana: asabotsy 17- alahady 18 Febroary 2018.
Toerana: 7 rue Marie Rose 75014 Paris.

Io fotoana io koa no anombohana fankalazana ny Jobily faha-25 taona niorenan’ny FLME (1993-2018).
Teny faneva: « Mitàna mafy ny Finoana » Apokalypsy 3:13.

Fifandraisana : Ramatoa Raharijaonarivelo Nirina Sambatra, Filoha FBL Paris.Tel: 0627263444
Na Ramatoa Rasolo Lalaina. Mpitantsoratra FBL Paris. Tel: 0651291718

Fanokafana asabotsy manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Antsampanahy 18 ora sasany hariva andraisan’ny FBL isam-pileovana anjara sy ny KTLM.

Ny alahady dia manomboka amin’ny 12 ora atoandro
Mandritra izany koa koa ny fankalazana ny jobily faha-25 taona niasan'ny Pastora Raharijaonarivelo Edmond teo amin'ny sahan'i Tompo.

Ny famaranana ny taon-jobily dia horaisin'ny fileovana marseille ny 27-28 oktobra 2018 mandritra ny isantaona.

Aoka samy hitondra ambavaka ny fotoana mba voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

ISAN-DROAVOLANA febroary 2018
FLME Mazargues Marseille le 08/02/2018, 16 04 34 (UTC)
 ISAN- DROAVOLANA FITANDREMANA MARSEILLE.
- Asabotsy 10 febroary 2018 amin'ny 4 ora sasany tolakandro
- Alahady 11 febroary 2018 amin'ny 10 ora sasany maraina.

TOERANA: Chapelle Sainte Claire - 62 rue cade-mouton 13014 Marseille
Aoka samy hitondra ambavaka ny fotoana isika.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

Krismasy Sampana FLME Mazargues
FLME Mazargues Marseille le 29/01/2018, 19 07 28 (UTC)
 Ny asabotsy 3 febroary 2018 izao ny krismasin’ny sampana: FBL, FDL, FIFIL, VLM eto amin’ny FLME Mazargues Marseille.
Manomboka amin’ny 7 ora sasany hariva ny fotoana.
Toerana: 8 Boulevard Magnan, 13009 Marseille.
Entanina ny tsirairay hanasa ny namana sy ny fianakaviana hiarampaly amintsika amin’izany fotoana izany.
Hisy fiaraha-misakafo aorian’ny fankalazana.
Tongava maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

<- En arrière  1 ...  8  9  10 11  12  13  14  15 16Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement