FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

HETSIKA SAMPANA FIFIL (Fifohazana)
FLM Mazargues le 30/05/2017, 09 09 13 (UTC)
 HETSIKA SAMPANA FIFIL (Fifohazana).
Asabotsy 3 jona 2017 amin’ny 7 ora hariva.
TENY FANEVA: “Mitadiava an’i Jehovah dia ho velona hianareo” Amosa 5:6a.

TOERANA: Espace Magnan - 8 bd Magnan 13009 Marseille.
Hisy TANTARA AN-TSEHATRA ARA-TSORATRA MASINA.

Sakafo mafana 5 € sy tsakitsaky malagasy.

Tongava maro ho voninahitr’Andriamanitra.
 

Fotoam-pivavahana Andro Niankarana
FLM Mazargues le 23/05/2017, 17 05 39 (UTC)
 Alakamisy 25 mey 2017,izao dia eto amin'ny Fiangonana Mazargues no iarahan'ny Fitandremana Marseille hankalaza ny ANDRO NIAKARANA.
Manomboka amin'ny 10 ora sasany ny fotoana.
Manantena ny fahatongavantsika maro. Ho voninahitr'Andriamanitra.

Aorian'ny fotoana, manomboka amin'ny 12 ora kosa ny HETSIKY NY SALOMA Mazargues..
Hisy sakafo sy fialamboly atolony amin'izany..
 

13-14 mey 2017 Isantelovolana Fileovana Marseille
FLM Mazargues Marseille le 09/05/2017, 18 06 19 (UTC)
 ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE
Teny Faneva : « Fa raha tonga ny Mpananatra,dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana,sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ». Jaona 16.8
Toerana: Chapelle Sainte Claire
62 rue cade-mouton
13014 Marseille
Manantena ny fahatongavantsika maro,
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany
 

7 mey 2017 ALAHADIN'NY PASTORA
FLM Mazargues Marseille le 06/05/2017, 18 06 38 (UTC)
 "Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’ Andriamanitra taminareo." Hebreo 13:7
Isaorana ny Tompo fa mbola afaka hiara-mankalaza ny ALAHADIN’NY PASTORA isika eto amin’ny FLME Mazargues ny alahady izao 07 MEY 2017.

Fisaorana sy fankasitrahana azy amin’ireo adidy masina iantsorohany ampitiavana eto amintsika.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

HETSIKA SALOMA-25 mey 2017
Ny Komity SALOMA – FLM Mazargues le 30/04/2017, 15 03 36 (UTC)
  Ny Sampana « SALOMA » (Sekoly Alahady Loterana Malagasy) eto amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy MAZARGUES - Marseille dia faly manasa hanotrona sy hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny hetsika izay karakarainy « Mini-Concert Loto » ny Alakamisy 25 Mai 2017 (andro niakarana), manomboka amin’ny 12 ora ao amin’ny « Espace Magnan, 8 Boulevard Magnan 13009 Marseille.»
FANEVA: “« Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana;
Mahareta amin'ny fivavahana.» Romana 12:12


Ny Fandaharam-potoana dia :
- Fotoam-pivavahana Fanokafana
- Mini-Concert
- Loto

Ho entina hampiroboroboana ny asan’Andriamanitra dia hisy :tsakitsaky, barquette (sakafo mafana) , ranom-boankazo, Glace…. amidy amin’io fotoana io:
- Barquette (vary sy ganagana) : 5 euros
- Hamburger : 3 euros
- Ranom-boakazo: 1 euro
- Glace : 1 euro……..

Fifaliana lehibe ho anay ny fanotronanareo io fotoana io ka dia manantena sy mirary ny fahatongavanareo maro ho Voninahitr’ Andriamanitra irery ihany.



 

Fiofanan'ny mpiandry 2017
FLM Mazargues le 28/04/2017, 09 09 37 (UTC)
 Zoma 28 - Asabotsy 29 - Alahady 30 aprily 2017
Fiofanana Faha-9 ho an'ny
Mpiandry sy Mpiomana
Tena faneva : "Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny" Jer.17 : 7
Toby Pouru Saint Remy
Toerana : Salle Polyvalente - rue du Commerce
08350 Noyers Pont-Maugis
 

<- En arrière  1 ...  9  10  11  12  13  14 15  16 Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement