FLM Marseille-Mazargues
  TORITENY FANOKANANA
 

TORITENY Pastora Dr RAKOTONDRAZAKA Habberstad  

Fanokanana FLM Mazargues
 25 Avril 2010 

" Ny Marina amin' ny Finoana no ho Velona " Rom. 17:6b

 
 

Fiangonana Loterana no hatokana eto, ary amin’ izany dia zava-dehibe tokoa ity epistily ho an’ ny Romana ity fa Epistily namoha an’ i Lotera tamin’ izany andro izany, anisan’ ny namoha azy ity ka tsy gaga aho raha nifidy azy ianareo.
Inona no maha-zava-dehibe tokoa izany ? dia izay maneho ny maha-Fiangonana ny Fiangonana, io no maneho ny maha-Fiangonana ny Fiangonana, raha tsy noho ny Filazantsara ny Fiangonana dia tahaka ny  fikambanana hafa rehetra ihany, tsy misy maha hafa azy fa noho ny Filazantsara dia io no maha-Fiangonana azy io, io Filazantsara io izay lazain’ ny Apostoly Paoly eto hoe “Herin’ Andriamanitra” izany hoe raha ao amin’ ny Fiangonana, raha torina ao amin’ ny Fiangonana ny Filazantsara dia tsy zavatra hafa fa ny Herin’ Andriamanitra indrindra no lazaina amin’ izany, tsy fantatro moa raha mety ho takatry  ny saintsika hoe hoatrin’ ny inona izany Herin’ Andriamanitra izany ,tsy milaza zavatra betsaka ny amin’ izany ny Apostoly eto fa zavatra tokana no lazainy : izany Herin’ Andriamanitra izany dia “famonjena izany” , io tokana io no lazainy “famonjena ho an’ izay mila azy” , famonjena tsy atao varoboba na dia maimaim-poana aza, satria herin’ Andriamanitra, famonjena dia ny maha-izy Azy no nataony eo tamin’ ny alalan’ ny Zanany, ny maha-Izy Azy no nentiny hanatanteraka izany ka tsy gaga raha niteny ny Apostoly Paoly hoe : “herin’ Andriamanitra”. Zanaka Ambony noho ny zavatra rehetra, izany no nomena mba ho Famonjena : Io no Filazantsara torin’ ny Fiangonana dia tsy hafa fa ilay Famonjena vitan’ i Jesosy Kristy  voahombo tamin’ ny hazo fijaliana ka nitsangana tamin’ ny maty, io no torin’ ny Fiangonana hatramin’ izay ka hatramin’ izao ary raha mbola mijanona ho Fiangonana koa ny Fiangonana, ary Apostoly Paoly ihany no nilaza azy hoe : mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana izahay “Kristy no torinay” , io ilay tsy mahamenatra azy satria famonjena ho azy : fantany ny heriny,fantany ny maha-lehibe azy dia ilay hery nanala azy avy ao amin’ ny fahafatesana saiky nanjo Azy ka namindra Azy ho ao amin’ ny Fiainana, io herin’ Andriamanitra io dia ilay nandray Azy ho toy ny tsinotsinona, ilay kely indrindra ; toy ny tsy tonga volana hoy izy, ilay nanenjika azy aza kanefa Tanana mitsotra no nentiny teo aminy ka nandraisany azy, Ianao no nofidiko, raisiko ianao, fantatro fa tsy mendrika hianao, fantatro fa manota ianao, fantatro fa betsaka ny tsy mendrika nataonao kanefa ho anao indrindra no nahatongavako : Avia ho raisiko. Hery tsy takatry ny saina izany, io no hery tsy misy maharesy azy, ilay hery manaiky mandray na dia ny fahavalo aza, io no herin’ Andriamanitra tsy takatry ny sain’ Olombelona satria mifanohitra amin’ ny Azy; ary mila an’ io Hery io tokoa isika. Fa raha nieritreritra aho indray mandeha, avy namangy marary aho dia nipetraka to amin’ ny biraoko dia gaga aho, izao no tao an-tsaiko : inona tokoa moa re ity olombelona eh!, inona tokoa re  ity olombelona eh! Raha tsy misy an’ ity herin’ Andriamanitra ity dia izy no mahantra indrindra amin’ ny zavaboahary, angamba ho gaga hianareo hanao hoe :

tsia Tompoko tsy marina izany , fa mba diniho anie eh! Teraka ianao inona no hainao atao, ny entana hoentinao  aza tsy hitanao, ny biby teraka izy mahita ny ataony, tafatsangana izy, ianao, izaho inona no mba vitantsika, mba jereo ny fahalementsika far aha maingoka kely anankiray no manaikitra antsika mahafaty antsika anie izany eh!, biby kely hoatran’ io anie izany. 
Dia lasa ihany ny eritreritro, tena raha mitahy amin’ ny voaary rehetra, jereko ny Soavaly raha mandeha mirifatra hoatry ny inona, izaho malemy tsy afa-mihazakazaka akory

Dia hoy aho hoe : Inona tokoa moa ny Olombelona, tsinotsinona izy raha tsy ity hery : herin’ Andriamanitra ity : io no mampijoro azy. Marina fa manana ny fahaizany sy ny fahalalany ny olona fa amin’ ny ampiasany an’io satria fantany fa malemy izy ka mila miaro tena atsy sy eroa dia inona no ataony manimba ny manodidina azy aza amin’ izao anefa isika miady mafy ny amin’ ity hoe : ahoana no hiarovana ny zava-boahary eh! Simbantsika ilay izy io, isika ihany no nanimba azy, izao isika vao mihazakazaka indray hoe ahoana indray ity satria nosimbaintsika izy, io no mba haintsika, malemy isika tsy mahay akory na miaina irery aza fa mila ny namana koa ka amin’ izay no ametsifetsentsika ny namana ataontsika tohatra iakarana io, izany ary no misy amintsika, fa rehefa ao kosa ity herin’ Andriamanitra ity dia ao satria tsy tahaka ny voahary rehetra koa no naharian’ Andriamanitra antsika fa notsofiny fofon’ ainy nataony tahaka ny endriny. Raha tsy eo ity herin’ Andriamanitra ity dia ambany noho ny ambany isika, raha ao kosa ity dia tafatsangana isika “Zanak’ Andriamanitra” isika.
Ahoana ary no andraisan’ ny Fiangonana izany herin’ Andriamanitra izany, dia amin’ ny alalan’ ny “FINOANA” no zary anehoana ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, avy amin’ ny Finoana sy ho amin’ ny Finoana araka ny voasoratra hoe : “NY MARINA AMIN’ NY FINOANA NO HO VELONA” , avy amin’ ny Finoana, avy amin’ Andriamanitra izany izay manome Fanahy masina ka mitarika antsika hino amin’ ny alalan’ ny andrenesantsika ny tenin’ Andriamanitra, ary amin’ izay andrenesantsika ny tenin’ Andriamanitra, dia miasa ny Fanahy Masina ka mamelona izany ao anatin’ ny fontsika mba hinoantsika izany tenin’ Andriamanitra miteny amintsika hoe “Zanako ianao, ny heriko no namonjeko anao” araka izay voasoratra ao amin’ ny Isaia hoe “ Ahy Ianao “, noraisin’ Andriamanitra, natsangany, io no teny mamelovelo tiany ho lazaina ao aminao isan’ Andro isan’ Andro ka hinoanao izany ary andraisanao izany ho fanananao tokoa, indrisy anefa fa ilay ratsy tsy kely lalana, ahodikodiny io finoana io satria fantany fa raha miorina amin’ io finoana marina io ianao dia ho velona araky izay lazain’ ilay teny marina ao amin’ ny Finoana no ho velona dia idirany koa ao anatiny ka aviliviliny, karazam-pinoana mitsangana etsy sy eroa tsy fantatrao  intsony, iza avy izy ireo, dia vitan’ ny hoe : “fa ianareo irery angaha no manana ny marina !” izay rehefa tenenina ny amin’ izany zavatra izany : 
 

‘Nareo irery angaha no manana ny marina, izahay koa anie, izao eh! Mazava ny tenin’ ny Apostoly eto : Avy amin’ ny Finoana, sy ho amin’ ny Finoana  avy amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, ny marina arak’ izay lazain’ ny Soratra Masina io no manana ny Finoana velona ao anatiny , ary io no mahasarontiny indrindra ny Fiangonana, ny amin’ ny fampianarana, sarontiny tokoa ny Fiangonana. 
Amin’ izao andro izao raha miresaka izany dia angamba iny Pastora iny efa “integriste” mihintsy iny, tsy avy amin’ ny fahaizako izany, angamba zavatra efa lany andro ny anao izany fa ny anay mba efa izao indray, tsy fantatro na lany andro ny ahy na tsy lany, tsy fantatro na lany andro ny Soratra Masina fa ny Finoako kosa : herin’ Andriamanitra ho famonjena Izy , raha tsy mila moa isika Andriamanitra tsy manery antsika, hafa ny manery hoe : tsy maintsy izao na izao, Andriamanitra tsy manery ahy tsy manery anao, manolotra izy, mitondra eo anoloanao izy raha tianao, tsy tianao azonao lavina tanteraka, tsy manery ahy izy, tsy manery anao, entiny eo aminao eo ny Famonjeny, ny heriny manontolo mba ahatonga anao ho velona, tsy tianao izany safidinao io; fa io indrindra no asan’ ny Fiangonana izay mampianatra marina ny Finoana marina mba ahitana fahavelomana sy fiainana, ary amin’ izany tsy fampianarana fotsiny fa fiainana, fiainan’ ny Fiangonana io; Amin’ izao dia resahina betsaka indray ny “diakonia” satria ny Fiangonana dia tsy maintsy miaina amin’ izay Finoana izay ary raha miaina amin’ izay Finoana izay izy dia ilay toetran’ Andriamanitra koa no ao aminy satria efa tonga zanak’ Andriamanitra izy izao, ao anatin’ ny valan’ Andriamanitra izy izao ka dia manana ny toetran’ Andriamanitra koa arak’ izay lazain’ ny Jesosy ao amin’ ny Filazantsara araka ny Jaona : “izay mino ahy, ny asa ataoko no ataony koa” hoy Izy sy ny hoe raha miray amiko hianareo, raha misaraka amiko ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona, noho izany io firaisana aminy io, efa tonga Zanak’ Andriamanitra isika dia manao ny asan’ izay naniraka an’ i Jesosy, ahoana ary Jesosy ilay herin’ Andriamanitra ho famonjena no nentintsika, izany no ijoroan’ ny Fiangonana ; tazan’ ny olona ao amin’ ny Fiangonantsika ve izany?, tsapan’ ny olona eo ao amin’ ny Fiangonantsika ve izany? Tsy hilaza zavatra betsaka aho fa iarahantsika mahalala ny tantarantsika, iarahantsika mahalala iny, fa androany ny tenin’ Andriamanitra miteny amintsika: hitsanga-menatra ve isika sa hitsangana tsy menatra satria ny Filazantsara herin’ Andriamanitra no antsika, izao no tadidio ry Havana: tsy sangisangy na ho lalaovinao Andriamanitra…. fa izao : Fiangonana anie ny  Fiangonana lazain’ ny bokin’ ny Apokalipsy ireo , nisy daholo ireo eh! fa aiza izy ireo ankehitriny, tadidio, tadidio, miantso anao anio Izy, tsy varoboba ny Famonjeny na dia maimaim-poana ho anao sy ho ahy aza, herin’ Andriamaitra ho famonjena anao izany, ny tadiaviny dia ho Marina ao amin’ ny Finoana tokoa ianao na amin’ ny Teny na amin’ ny Asa.

Voninahitra anie ho an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay Azy hatramin’ ny taloha indrindra ka haharitra Mandrakizay.

Amen! 


 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement