FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

9-14 jolay 2018: Isan-taona faha-21 ny toby Pouru Saint-Remy
FLME Mazargues marseille le 05/07/2018, 15 03 31 (UTC)
 Ny alatsinainy 9 jolay 2018 ka hatramin’ny asabotsy 14 jolay 2018: ISAN-TAONA FAHA-21 ny Toby Pouru Saint-Remy ny FLME
14 jolay 2018: Fanokanana mpiandry

TENY FANEVA: "Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra." Hebreo 12 : 15a

TOERANA: Ermitage Saint-Walfroy, 08370 Margut
Aoka samy hitondra ambavaka izany fotoana izany.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA 24 jona 2018
FLME Mazargues Marseille le 19/06/2018, 11 11 58 (UTC)
 Ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana dia ho tanterahina eny amin’ny kaonsila Malagasy eto Marseille ny alahady 24 jona 2018, manomboka amin’ny 3 ora sasany tolakandro.

FANEVA: “FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA” Ohabolana 14 : 3a.

ADRESY: 234 BOULEVARD PERIER 13008
Tsy hisy fiangonana arak’izany ao amin’ny FLME Mazargues Marseille.
Mirary ny fanatrehantsika, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

Isan-droavolana Fitandremana Marseille. 16-17 jona 2018
Pastora FLAVIEN Volatombo le 09/06/2018, 14 02 06 (UTC)
 16-17 JONA 2018: ISAN-DROAVOLAN’NY FITANDREMANA MARSEILLE
FANEVA: " Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ", Matio 9. 12
TOERANA: Chapelle Sainte Claire, 62 rue cade-mouton 13014 Marseille.

-Asabotsy 16 jona amin’ny 04 ora hariva.
-Alahady 17 jona maraina: fotoam-pivavahana litorjika
Hisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

HAFATRY NY PASTORA:
-“… Fandaminana efa napetraky ny FLM izany, mba hifamangian' ny isam- piangonana, hiaraha- mivavaka hifampaherezan amin' ny fiaraha- mivavaka, araka ny maha fiombonan' olona masina antsika, sy fiarahana mandray ny Fanasan' ny Tompo; no fotoana koa hiaraha- manao ny asan' Andriamanitra amin' ny fampaharetana ny Fiangonan' i Kristy ety an- tany, hiaraha- mijoro vavolombelona; no iarahana koa mifanolotra talenta sy fanomezana koa, ho entika hanohanana ny asa, ijoroan' ny tsirairay ho vato vato velona ao amin'ny trano arafitr' Andriamanitra, dia ny Fiangonany, vidin' ny ran' i Kristy.
Manantena aho fa ho tonga avokoa isika, araka ny fotoana mety hananantsika: Fa ianareo no vavolombeloko, hoy Jesosy Tompontsika.
Mirary ny fiadanan' Andriamanitra ho amin' ny tsirairay ny tenako.”

- Aoka hotrotrointsika am-bavaka izao fivoriana mampiombona antsika izao .
-Hisy valopin' ny fivoriana aorian' ny rakitra ny alahady maraina.
-Ho voninahitra'Andriamanitra irery ihany anie sy ho fampaherezana ary ho fampiraisana antsika tokoa anie izao fivoriantsika izao! Amena.

 

ISAN-TELOVOLAN'NY MARSEILLE
FLME Mazargues Marseille le 29/05/2018, 05 05 32 (UTC)
 09 - 10 JONA 2018 : ISAN- TELOVOLAN' NY FILEOVANA MARSEILLE

FANEVA: "Mazotoa kokoa ry rahalahy hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo" (2 Pet. 1. 10a)

TOERANA: Montpellier
-Asabotsy 09 jona amin’ny 03 ora sasany hariva.
-Alahady 10 jona amin’ny 10 ora sasany maraina.

HAFATRY NY PASTORA:
- Aoka hotrotrointsika am- bavaka izao fivoriana mampiombona antsika izao .
-Hisy valopin' ny fivoriana aorian' ny rakitra ny alahady maraina.
-Ho voninahitra'Andriamanitra irery ihany anie sy ho fampaherezana ary ho fampiraisana antsika tokoa anie izao fivoriantsika izao! Amena.
 

JOBILIN'I Pastora ANDRIANARIJAONA Germain mivady
FLME Mazargues Marseille le 28/05/2018, 05 05 39 (UTC)
  FANASANA
-Alahady 03 jona 2018 amin'ny 10 ora maraina.

JOBILIN’I PASTORA ANDRIANARIJAONA GERMAIN mivady, Tonia Nasionalin’ny FiFil.
Niasa nandritra ny 35 taona teo amin’ny sahan’ny FLM.

FANEVA: “Ampy ho anao ny fahasoavako” 2 Kor 12:9a
TOERANA: Chapelle Sainte Claire, rue Cade Mouton 13014 Marseille.

Hisy fiaraha-misakafo aorian’ny fotoana. Fandraisana anjara : 10 euros.

-Ny asabotsy 2 jona 2018 hariva kosa dia hisy ny fihaonan'ny tonian'ny FiFil nasionaly sy ny filohan'ny Fifil Eoropa ary mpiandry ary ny mpiomana ao amin'ny chapelle Sainte Claire ihany.

Mirary sy manantena ny fahatongavanareo maro, ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

ALAHADIN'NY PASTORA
FLME Mazargues le 01/05/2018, 14 02 19 (UTC)
 Ny Alahady 6 mey 2018 izao no daty nofidiana hankalazan-tsika ny ALAHADIN’NY PASTORA.
Ho fisaorana an’Andriamanitra ny nanomezany azy ho antsika, ary isaorantsika azy indrindra koa amin’ny asa fanompoana sy ampitiavana tanterahiny eto amin’ny fiangonana.
Mba ho tonga maro isika hanatrika izany.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany
 

<- En arrière  1 ...  6  7  8  9  10  11  12 ... 16Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement