FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

Krismasy Sampana FLME Mazargues
FLME Mazargues Marseille le 15/01/2019, 17 05 01 (UTC)
 Ny asabotsy 19 jona izao no ankalazain'ny FLME Mazargues Marseille ny krismasy sampana. Manomboka amin'ny 7 ora sasany hariva ny fotoana.
Mirary ny fahatongavantsika maro
 

HETSIKA SALOMA FITANDREMANA MARSEILLE
FLME Mazargues Marseille le 15/12/2018, 11 11 46 (UTC)
 SAMPANA SALOMA FITANDREMANA MARSEILLE dia faly manasa antsika rehetra hanatrika ny hetsika ataony ny asabotsy 15 desambra 2018 amin’ny 6 ora hariva.
FANEVA: « Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo » Filipo 4.4
TOERANA: Chapelle Sainte Claire - 62 rue Cade Mouton Marseille 13014
PROGRAMA :
- Diner -Animations
- Dessins Animés Bibliques
Aoka samy hitrotro ambavaka ny fotoana, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

02 desambra 2018 ALAHADIN'NY KATEKISTA
FLME Mazargues Marseille le 27/11/2018, 10 10 28 (UTC)
 Isaorana ny Tompo fa mbola afaka hiara-mankalaza ny ALAHADIN’NY KATEKISTA (Rakotoarimanana François d'Assise) isika eto amin’ny FLME Mazargues Marseille ny alahady 02 desambra 2018.

FANEVA: "...Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,” Salamo 103:1-3

Ho fisaorana sy fankasitrahana azy amin’ireo adidy masina ataony ampitiavana eto amin’ny fiangonana.

Koa entanina isika tsirairay mba hiomana amin’izany fankalazana izany.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
 

08 – 09 DESAMBRA 2018: ISAN- TELOVOLAN' NY FILEOVANA
FLME Mazargues Marseille le 26/11/2018, 20 08 08 (UTC)
 08 – 09 DESAMBRA 2018: ISAN- TELOVOLAN' NY FILEOVANA

Faneva: " Akaiky ny fanjakan' Andriamanitra. " -Lioka 21. 31b.
Toerana : MONTPELLIER

Asabotsy 08 desambra 2018
2 ora 30 mn: Fivorian' ny sampana samihafa ato amin' ny fileovana.
3 ora 30 mn: Fanombohan’ny fivoriana
- Hisy asa sy fampaherezana
- Faranana amin’ny FANKALAZANA NY KRISMASIN’NY FILEOVANA ny fotoana.

Alahady 09 desambra 2018
9 ora 30 mn: Sekoly alahady
10 ora sasany: Fotoam- pivavahana litorjika
- Hisy Fandraisana ny Fanasan' ny Tompo

Hafatry ny Pastora:
- Aoka hotrotrointsika am- bavaka ny fivoriantsika.
- Ankoatry ny rakitra, dia hisy valopy amin' ny fiodinana faharoa ho fanohanantsika ny asa ato amin' ny fileovana.
- Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika!
 

24-25 novambra 2018: Isandroavolana Fitandremana Marseille
FLM Mazargues Marseille le 23/11/2018, 10 10 01 (UTC)
 PROGRAMAN' NY ISAN- DROAVOLAN' NY FITANDREMANA IZAY HATAO AO AMIN' NY FLME MARSEILLE NY 24 - 25 NOVAMBRA 2018
Faneva: " Miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian' ny Tomponareo ", Mat. 44. 42.
Toerana : Chapelle Sainte Claire , 62 rue Cade Mouton 13014 Marseille.
Asabotsy 24 novambra : manomboka amin’ny 4 ora 30 tolakandro.
Hisy asa sy fampaherezana, ary faranana amin’ny antsampanahy
Alahady 25 novambra:
9 ora 30 mn: sekoly alahady
10 ora 30 mn: fanomboan’ny fotoampivavahana.
Hisy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ary faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.
Aoka hitondra ambavaka ny fotoana, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

Alakamisy 1 sy Asabotsy 3 novambra 2018: PROGRAMME HETSIKA FKTLM Fitandremana sy FDL FLME Mazargues Marseille
FLME Marseiile Mazargues le 29/10/2018, 16 04 54 (UTC)
 ALAKAMISY 01 novambra 2018: FETIN'NY FILAZANTSARA

- Maraina: hisy fotoam-pivavahana eny amin'ny FLME Sainte Claire. Chapelle sainte Claire, 62 rue Cade Mouton 13014 Marseille.
- Manohy ny fotoana avy hatrany ny HETSIKY NY KTLM Fitandremana Marseille.
- Hisy sakafo karakarainy mandritra ny korana.

Tsy hisy arak’izany ny fotoam-pivavahana ao amin’ny Temple de provence toy ny fanao isaky ny alakamisy

ASABOTSY 03 novambra 2018 amin’ny 7 ora hariva :

HETSIKA FDL (Fikambanan-Dehilahy) FLME Mazargues Marseille
-FANEVA: « Hianareo no fanasin'ny tany. » Matio 5.13a
-Toerana: Espace Magnan, 8 Bd Magnan, 13009 Marseille:
- Projection Film
- Sakafo hariva (Vary sy Laoka), fandraisana anjara: 8 euros.

Tongava maro. Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

<- En arrière  1 ...  4  5  6  7  8  9  10 ... 16Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement