|
|
|
|
|
|
|
|
FILM MASINA :
|
|
|
|
|
|
TAHIRY :
|
|
|
|
|
|
|
|
VAOVAOM-PIANGONANA
|
|
03 NOVAMBRA 2019: ALAHADIN'NY KATEKISTA
FLME Mazargues Marseille le 31/10/2019, 10 10 11 (UTC) | | Isaorana ny Tompo ny nanomezany antsika ny Katekista RAKOTOARIMANANA François D’Assise, izay manao ny ainy tsy ho zavatra mampiroborobo ny Fiangonana.
Hiara-mankalaza ny ALAHADIN’NY KATEKISTA isika eto amin’ny FLME Mazargues ny alahady 3 novambra 2019.
FANEVA: " Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra"
Entanina isika tsirairay mba hiomana amin’izany fankalazana izany. Ary indrindra hitondra ambavaka azy sy ny ankohonany.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
| | |
|
Isantaona SP FLME 26-27 oktobra 2019
FLME Mazargues Marseille le 17/10/2019, 18 06 23 (UTC) | | 26-27 oktobra 2019: ISANTAONA SYNODAM-PARITANY FLME 2019.
FANEVA : « Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo » Efesiana 5.6a
TOERANA : Chapelle de l'Établissement privé catholique Saint-Charles
2 Rue Geneviève Anthonioz-de Gaulle.
Aoka hotrotroin-tsika ambavaka ny fivoriana ary ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
| | |
|
12-13 oktobra 2019: ISAN- DROAVOLAN'NY FITANDREMANA
FLME Mazargues Marseille le 03/10/2019, 13 01 54 (UTC) | | ISAN- DOAVOLAN'NY FITANDREMANA HATAO AO AMIN'
NY FLME MARSEILLE NY 12 - 13 OKTOBRA 2019.
Faneva: " Fa ao amin' i Kristy Jesosy, dia tsy mahasoa na ny famorana na tsy famorana, fa ny finoana izay miasa amin' ny fitiavana ", Gal. 5 : 6.
Toerana: FLME Marseille
Asabotsy 12 oktobra 2019
Fanombohana: 04 ora tolakandro.
Alahady 13 oktobra 2019
09 ora 30mn: Sekoly alahady.
Fanompoam- pivavahana litorjika.
Fanombohana: 10 ora 30 mn.
Hisy Fandraisana ny Fanasan' ny Tompo
Hafatry ny Pastora:
- Aoka ho trotrointsika ambavaka ny fivoriana iombonantsika.
- Asaina ny mpiomana ho mpiandry rehetra ho tonga ny asabotsy.
- Hisy valopy ho rakitra faharoa ny alahady maraina, araka ny mahazatra, ho fanohanana ny asa samihafa sahanin'ny Fitandremana.
- Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriana niantsoany antsika !
| | |
|
28 septambra 2019 HETSIKA KTLM FITANDREMANA
FLME Mazargues Marseille le 28/09/2019, 09 09 14 (UTC) | | Asabotsy 28 septambra izao ny HETSIKA KTLM FITANDREMANA
FANEVA : « Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any ko any fonao” Matio 6.21
Toerana : EPUF 8 boulevard Magnan 13009 Marseille
Fanombohana: 4 ora sasany hariva
Programa:
- Fotoam-pivavahana fanokafana
- Fiaraha-misakafo
-“ Jeux bibliques en équipe” fandraisana anjara : 2 euros
Fandraisana anjara : 5 euros (Sakafo sy dessert)
Boisson 1 euros
Tongava maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany. | | |
|
ISAN-TELOVOLANA septambra 2019
FLME Mazargues Marseille le 11/09/2019, 09 09 22 (UTC) | | Asabotsy 14 sy Alahady 15 Septambra 2019: ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE
FANEVA: "...Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa." Lio. 10: 37b
TOERANA: FLM Marseille, Chapelle Ste Claire, 62 rue Cade-Mouton 13014 Marseille
Asabotsy :
12ora sasany: Fivorian’ny komitin’ny Fileovana
2ora sasany – 3 ora sasany: Fivorian’ny Sampana
4 ora tolakandro: FOTOAM-PIVAVAVAHANA
Hisy Asa sy Fampaherezana ary Antsam-panahy
Alahady:
9 ora sasany : Sekoly alahady
10 ora sasany: FOTOAM-PIVAVAHANA
Samia mitondra am-bavaka ny fivoriana.
Hisy valopy solom-bokatra ny alahady maraina.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
| | |
|
ISAN-DROAVOLANA AOGOSITRA 2019
FLME Mazargues Marseille le 21/08/2019, 17 05 00 (UTC) | | Asabotsy 24 AOGOSITRA - alahady 25 AOGOSITRA 2019
ISAN-DROAVOLAN’NY FITANDREMANA MARSEILLE
FANEVA : “Anio, raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana. » Heb. 3 : 15.
TOERANA :
Asabotsy: FLME Mazargues Marseille, 8 Boulevard Magnan 13009 Marseille
Alahady: Chapelle Sainte Claire, 62 rue Cade Mouton 13014 Marseille
Tongava maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Hafatra :
- Aoka ho trotrointsika ambavaka ny fivoriantsika.
- Toy ny mahazatra, dia hisy valopy horakitra faharoa, hanohanantsika ny asa samihafa sahanintsika ato amin' ny fitandremana.
| | |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|