FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

FIANGONANA ALAHADY PENTEKOSTA
Ny loholona: RADO Hery Andriamasy le 28/05/2020, 20 08 46 (UTC)
 31 mey 2020: ALAHADY PENTEKOSTA
"Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa ; Eny, hankalaza an’Andriamanitra aho, raha mbola velona koa." Salamo 146. 2
Miarahaba antsika fiangonana FLM Mazargues amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Misaotra ny Tompo isika ry havana fa hisy ny fanompoam-pivavahana hiarahantsika hankalaza ny Andro Pentekosta amin’ny Alahady 31 Mey izao, manomboka amin’ny 5 ora tolakandro, eny amin’ny EPUF Magnan; hisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo amin’izany.
Fantatsika fa mbola ao anatin’ny ady amin’ny aretina COVID-19 isika amin’izao, ary misy ny fepetra napetraky ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny fivoriana fanompoam-pivavahana, ka tsara ho antsika ny manaja an’izany fepetra izany.
Noho izany :
- Angatahina isika samy hanao sarom-bava sy orona (masque).
- Izay manana kapoaka fandraisana dia hitondra ny azy (personnel io).
Misy kapoaka efa homaninay kosa ho an‘izay tsy manana.
- Aoka samy hanaja ny fepetra izay voasoratra manomboka eo am-pidirana ny trano fiangonana.
Mangataka antsika koa, ary misaotra mialoha, ho an’izay afaka, mba ho tonga hanadio sy handamina mialoha ny trano fiangonana: holazaina amintsika rahampitso zomà ny fotoana @ izany.
Samia ry havako mitrotro am-bavaka ny fiangonana sy ny fotoana amin’ny Alahady izao.
Maniry ny fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra.
Jesosy homba sy hitahy.
"... ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana..."
Jaona 14 : 16b-17a

RADO Hery Andriamasy.
Loholona
 

ANDRO NIAKARANA : 21 mey 2020
FLME Mazargues Marseille le 20/05/2020, 09 09 23 (UTC)
 Fankalazana ny ANDRO NIAKARANA
Manomboka amin' ny 10 ora maraina ny fisokafan' ny " Zoom "; ary amin' ny 10 ora 30mn ny fanompoam- pivavahana tarihin' ny pastora sy ny katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato.

Raha tsy mbola hahazo hivoha ny fiangonana izao alahady ho avy izao, dia amin' ny 10 ora maraina ihany koa ny fanompoam- pivavahana hiraisana amin' ny tambazotran- tserasera; ary manomboka amin' ny 10 ora ny fidirana amin' ny "Zoom".

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Ny pastoran' ny fitandremana.
 

Fihemoran'ny Zaikakely FKTLM Eoropa
FLM Mazargues Marseille le 06/04/2020, 16 04 59 (UTC)
 Ahemotra ny zaikakely FKTLM izay saika hatao tao Fileovana Paris ny 17-18-19 aprily 2020.
Araka ny fanapan-kevitry ny Komity Nasionaly FKTLM any Madagasikara dia ny Epistily
faharoa ho an’ny Korintiana no Boky lesona amin’ity taona 2020 ity: dia mamporisika antsika tanora hamaky sy handinika sahady izany Boky lesona izany.
 

Febroary 2020: ISAN-DROAVOLANA sy ISAN-TELOVOLANA FLME Marseille
FLME Mazargues Marseille le 19/02/2020, 13 01 45 (UTC)
 Asabotsy 22- alahady 23 febroary 2020: ISAN-DROAVOLANA Fitandremana Marseille.
TOERANA: FLME Marseille. Chapelle Sainte Claire.
FANEVA: " Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa ", I Pet. 3. 21 a.
Hafatra:
-Aoka hotrotrointsika am-bavaka ny fivoriantsika
- Hisy valopy solom- bokatra ho rakitra faharoa ny alahady maraina
- Hovoninahitr' Andriamanitra irery ihany anie ny fivoriantsika .

Asabotsy 29 febroary – alahady 1 marsa 2020: ISAN-TELOVOLANA Fileovana Marseille.
TOERANA: FLME Marseille. Chapelle Sainte Claire.
FANEVA: " Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa ", I Pet. 3. 21 a.
Hafatra: Aoka samy hiomana amin’ny vokatra isika ary hitondra ambavaka ny
fivoriana.

 

14-15 desambra 2019: ISAN-TELOVOLAN'NY FILEOVANA MARSEILLE
FLME Mazargues Marseille le 01/12/2019, 10 10 25 (UTC)
 14-15 desambra 2019 : ISAN-TELOVOLAN’NY FILEOVANA MARSEILLE.
FANEVA: " Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo ", Isaia 40. 1
TOERANA : Montpellier
TSY HISY NY FIANGONANA ETO MAZARGUES MARSEILLE io alahady io
Asabotsy 14 desambra 2019
12 ora sy sasany: Fivorian'ny komitin' ny fileovana.
2 ora sy sasany - 3 ora sy sasany: Fivorian' ny sampana.
Fanombohana: 4 ora

Alahady 15 desambra 2019:
9 ora sy sasany: Fampianarana Sekoly Alahady
10 ora sy sasany: Fotoam- pivavahana litorjika

HAFATRY NY PASTORA MPITONDRA FILEOVANA:
- Aoka hotrotrointsika am-bavaka ny fivoriana napetraky ny Tompo ho tanterahintsika.
- Hisy valopy ho rakitra faharoa ny alahady maraina ho fanohanana ny asan'ny Fileovana
- Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitry ny fivoriantsika!
 

23-24 novambra 2019 : isandroavolana Fitandremana Marseille
FLME Mazargues Marseille le 19/11/2019, 17 05 24 (UTC)
 ISAN-2 VOLANA FITANDREMANA MARSEILLE : Asabotsy 23 sy Alahady 24 Novambra.

Faneva: « Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra, sy ny fahendreny, ary ny làlany tsy azo fantarina » Rom.11 :33
Toerana:
-Asabotsy: FLME Mazargues Marseille, 8 Boulevard Magnan,13009 Marseille.
-Alahady : FLME Marseille Sainte-Claire, rue Cade-Mouton 13014 Marseille

Hafatry ny pastora:
Hafatra:
- Aoka ho trotroina am-bavaka ny fivoriantsika
- Hisy valopy ho rakitra faharoa ho fanatevenana ny kitapon’ny fitandremana ny Alahady maraina.
- Ho voninahitr’Andriamanitra irery anie ny fivoriantsika.
 

<- En arrière  1  2  3  4  5  6  7  8 ... 16Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement