FLM Marseille-Mazargues
  VAOVAOM-PIANGONANA
 
VAOVAOM-PIANGONANA

Alahady 7 febroary 2021
Ny loholona RADO Hery Andriamasy le 07/02/2021, 08 08 45 (UTC)
 "Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe : Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra".
Matio 10 : 7
Miarahaba antsika fiangonana FLM Mazargues amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Manomboka amin’ny 3ora tolakandro ny fotoam-pivavahana rahampitso Alahady 07 Febroary 2021, noho ny couvre-feu.
Samia miezaka tonga mialohan’ny fotoana.
Aza adino ny mahatsiaro am-bavaka ny fiangonana, ny Sampana, ny fianakaviana rehetra, mba samy hitoetra amin’ny finoana sy ny fahatokiana an’i Jesosy Kristy Tompo.
Mahereza daholo ry havako.
Samia hotahiana.
RADO Hery Andriamasy.
 

Fiaraha-mivavaka alahady 31 janoary 2021
FLME Marseille Mazargues le 31/01/2021, 08 08 53 (UTC)
 Alahady 31 janoary 2021, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fiaraha-mivavaka.
Mirary ny fiarovan’ny Tompo ho antsika mianakavin’ny finoana.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany
 

PROGRAMA KRISMASY 2020
FLME Mazargues Marseille le 20/12/2020, 11 11 32 (UTC)
 PROGRAMA KRISMASY :
24 Décembre 2020 : Krismasy alina karakarain’ny Sampana Sekoly Alahady SALOMA manomboka amin’ny 7ora sy sasany hariva (19h30) ao amin’ny FLM Mazargues (Eglise protestante unie Marseille Sud-Est 8 Boulevard Magnan 13009 Marseille)

25 Décembre 2020 : Krismasy voalohany manomboka @ 4 ora tolakandro ao @ FLM Mazargues (Eglise protestante unie Marseille Sud-Est 8 Boulevard Magnan 13009 Marseille) :
- Fandraisana ny Kofermanda.
- Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
- Raki-bolafotsy

Mirary krismasy sambatra. Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
 

05 jolay 2020: hetsika FBL
FLME Mazargues Marseille le 05/07/2020, 09 09 55 (UTC)
 Alahady 05 jolay 2020: HETSIKA FBL - FLM Mazargues

FANEVA: “Fa Andriamanitra hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy” Filipiana 4:19

Hisy valopy hozaraina ho fandraisana anjara amin’izany.
Aoka samy hitondra ambavaka ny fotoana.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
 

FIANGONANA ALAHADY PENTEKOSTA
Ny loholona: RADO Hery Andriamasy le 28/05/2020, 20 08 46 (UTC)
 31 mey 2020: ALAHADY PENTEKOSTA
"Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa ; Eny, hankalaza an’Andriamanitra aho, raha mbola velona koa." Salamo 146. 2
Miarahaba antsika fiangonana FLM Mazargues amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Misaotra ny Tompo isika ry havana fa hisy ny fanompoam-pivavahana hiarahantsika hankalaza ny Andro Pentekosta amin’ny Alahady 31 Mey izao, manomboka amin’ny 5 ora tolakandro, eny amin’ny EPUF Magnan; hisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo amin’izany.
Fantatsika fa mbola ao anatin’ny ady amin’ny aretina COVID-19 isika amin’izao, ary misy ny fepetra napetraky ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny fivoriana fanompoam-pivavahana, ka tsara ho antsika ny manaja an’izany fepetra izany.
Noho izany :
- Angatahina isika samy hanao sarom-bava sy orona (masque).
- Izay manana kapoaka fandraisana dia hitondra ny azy (personnel io).
Misy kapoaka efa homaninay kosa ho an‘izay tsy manana.
- Aoka samy hanaja ny fepetra izay voasoratra manomboka eo am-pidirana ny trano fiangonana.
Mangataka antsika koa, ary misaotra mialoha, ho an’izay afaka, mba ho tonga hanadio sy handamina mialoha ny trano fiangonana: holazaina amintsika rahampitso zomà ny fotoana @ izany.
Samia ry havako mitrotro am-bavaka ny fiangonana sy ny fotoana amin’ny Alahady izao.
Maniry ny fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra.
Jesosy homba sy hitahy.
"... ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana..."
Jaona 14 : 16b-17a

RADO Hery Andriamasy.
Loholona
 

ANDRO NIAKARANA : 21 mey 2020
FLME Mazargues Marseille le 20/05/2020, 09 09 23 (UTC)
 Fankalazana ny ANDRO NIAKARANA
Manomboka amin' ny 10 ora maraina ny fisokafan' ny " Zoom "; ary amin' ny 10 ora 30mn ny fanompoam- pivavahana tarihin' ny pastora sy ny katekista RANDRIANASOLO Andrianalinjato.

Raha tsy mbola hahazo hivoha ny fiangonana izao alahady ho avy izao, dia amin' ny 10 ora maraina ihany koa ny fanompoam- pivavahana hiraisana amin' ny tambazotran- tserasera; ary manomboka amin' ny 10 ora ny fidirana amin' ny "Zoom".

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Ny pastoran' ny fitandremana.
 

<-En arrière

 1  2  3  4  5  6  7  8 ... 15Continuer -> 
 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -