FLM Marseille-Mazargues
  Pentekosta 2014 Pst Volatombo
 
 

TORITENY PENTEKOSTA 08 jona 2014

 

Pastora VOLATOMBO Flavien

Fiangonana Loterana Mazargues Marseille
8 Boulevard Magnan, 13009 Marseille
Jaona 15:1-11 : Ny fanoharana ny amin'ny voaloboka sy ny sampany ary ny firaisan'i Jesosy sy ny mpianany.
 


Jaona 15:1-11: 1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. 
2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
3 Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko.
5 Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
7 Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.
9 Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako hianareo.
10 Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.
11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.


 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement