FLM Marseille-Mazargues
  Fampianarana FIFIL
 
FLM  MARSEILLE MAZARGUES 2012

FAMPIANARANA

ISAN-TELOVOLANA FILEOVANA MARSEILLE 3-4 Mars 2012 Pastora Pastora Edmond Raharijaonarivelo

 " NY FIANGONANA SY NY FIFOHAZANA "

Ny fotoanantsika moa izany dia eo amin’ ny tapany fahatelo, dia miroso amin’ ny fampianarana
Ny fampianarana dia mikasika ny amin’ ny hoe “ny Fiangonana sy ny Fifohazana”.


Resaka Fiangonana sy Fifohazana, ny fanontaniana mety mipetraka dia ny hoe : “Zavatra roa samihafa ve ny Fiangonana sy ny Fifohazana”?, zavatra roa samihafa ve ireo;  ny fanontaniana mety hipetraka ihany koa izay hojerentsika koa ny valiny rehefa avy eo :”fa maninona ny Fiangonana no mila Fifohazana”,  ny fahatelo amin’ny fanontaniana dia ny fahatelo farany :”fa nahoana ny Fifohazana no mila Fiangonana”

Hitantsika amin’izay izany ny mety ho fipetraky ny fanazavana  ny amin’ ny hoe Fiangonana sy ny Fifohazana.

- Ny Fanontaniana voalohany izany izay napetrako teo dia ny hoe : “Zavatra roa samihafa ve ny Fiangonana sy ny Fifohazana, ny faharoa : fa maninona ny Fiangonana no mila fifohazana ary ny fahatelo “ary nahoana ny fifohazana no mila ny fiangonana.

- Mazava tokoa mantsy fa mipetraka ireo fanontaniana ireo indrindra indrindra fa aty Europe, ny antony dia tsotra ihany : ny fiangonana Frantsay na ny “Réformé” ERF izany na ny ELM na Eglise Luthérienne de Mission Evangelique aty Europe, ataoko hoe Frantsa aloha fa ny Europe moa manahirana ihany ny miteny azy dia manda ny fisian’ny Fifohazana, indrindra moa fa ny asan’ny Mpiandry : fandroahana devoly raha tsorina avy hatrany. Any Madagasikara mety tsy hipetraka loatra izay fa eto dia tena mazava ny position-dry zareo fa manda an’io asam-pifohazana io ny Fiangonana Reformé na ny fanjaka na Frantsay eto Frantsa.
Tsaroako indrindra tamin’ny fotoan’andro izay nanorenana izany Fiangonana Loterana Malagasy izany dia anisan’ny zavatra nampisalasala an-dry zareo ny fisian’ny fifohazana na ny asan’ ny Mpiandry ao amin’ ny Fiangonana satria nisy nihevitra tamin’izay fotoana izay tamin’ ny 1992  izany izay nanantonana ireo mpiandraikitra Loterana ireo tamin’izay fotoana izay hoe : hanangana  ny Fiangonana Loterana Malagasy izahay dia ny zavatra napetraky zareo voalohany indrindra dia hoe: raha hirafitra aminay ianareo dia mampisalasala anay satria mbola tsy mazava aminay loatra ny fisian’io Fifohazana io, inona no tena antony?  Dia tamin’izay fotoana izay dia nizara roa ny hevitry ny olona tao amin’ny komity mpanorina, satria ny komity mpanorina tamin’izany dia nisy niteny  hoe : tsara isika raha mirafitra amin’ny Fiangonana Loterana Frantsay izany hoe Fiangonana Loterana Malalgasy, Fiangonana Loterana Frantsay izany version langue Malgache, dia nekendry zareo nefa nametraka “condition” izy tamin’izay dia tsy azony nekena ny Fifohazana, dia ny sasany indray tamin’ny andiany faharoa dia ny hoe: izahay dia zanaka Loterana voataiza tany Madagasikara ary  ny fisian’ny sampana  fifohazana ao amin’ny Fiangonana dia aim-panahin’ny fiangonana izany ka aleo isika mirafitra any Madagasikara mba tsy hisian’ny olana, dia natao ny tsangan-tanana dia lany tamin’izay ny hoe “Fiangonana Loterana Malagasy” mirafitra any amin’ny foibe any Madagasikara isika, dia natao izay dia nanoratra tany Madagasikara dia nahazo tsodrano moa tamin’ny KMSL tamin’ny volana Mey 1993 izy izay, dia notokanana ny Fiangonana teto. Dia nitsangana ny Fiangonana Loterana Malagasy, eo no nipetrahan’ ny hoe:”fa maninona ny Fiangonana no mila Fifohazana. izay ilay fanontaniana faharoa.

Dia nipetraka ny fanontaniana fahatelo ny hoe : “fa nahoana ny Fifohazana no mila Fiangonana”. Ezahintsika valiana hatrany izany ireo.

- Ny fanontaniana voalohany izany ny hoe “zavatra samy hafa ve ny Fiangonana sy ny Fifohazana”                  
Jerentsika avy hatrany aloha ny atao hoe : Fiangonana : ny Fiangonana moa dia hoe, tsy hiditra lesona be isika fa zavatra tsotsotra ny fanazavana azy dia ny Fiangoanana araky ny “artikola fahatelo”  dia ny “Fiombonan’ny olona Masina”, izany hoe ireo nantsoin’ Andriamanitra ho olony, nantsoin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Batisa no atao hoe “Olon’Andriamanitra” na “Olona Masina” izay nandray ny  batisa izany, ka tamin’ny alalan’ny Batisa no nandraisana azy ho zanak’Andriamaintra handova ny fiainana mandrakizay, handraisany ny famelan-keloka ary nandraisany ny Fanahy Masina, io izany no atao hoe : “Fiangonana”, ka ao anatin’izany Fiangonana  izany no andraisany ny Fahasoavan’ Andriamanitra . Ireo olona izay antsoin’Andriamanitra hoe “olona Masina” voatokana hoe Masina dia mandray ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Batisa sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ireo Sakrameta roa ireo izany no ijoroan’ny maha-Fiangonana.

Dia ny fanazavan’’i Lotera ny teny hoe : ny maha-Fiangonana ny Fiangoanan dia ny tenin’Andriamanitra sy ny Sakramenta izay fiasam-pahasoavana miasa ao aminy. Raha jerena tsotra izany dia izay no atao hoe “Fiangonana”, ao anatin’ io Fiangonana io dia natsangan’ Andriamanitra ao anatin’izany Fiangonana izany ny fanomezam-pahasoavana samihafa, misy fanomezam-pahasoavana samihafa ao izay natsangan’Andriamanitra mba ho fampandrosoana ny fiangonana, tsy hoe rehefa nitsangana ny fiangonana dia izay fa misy fanomezam-pahasoavana marobe nomen’Andriamanitra ao, raha mamaky fotsiny isika ohatra ny hoe : Koritiana voalohany toko faha-12 dia ny andininy faha – 4, azontsika vakiana manomboka amin’ ny andininy faha-4  dia misy ny fanomezam-pahasoavana  samihafa ao. Eo izany dia miverimberina mandrakariva ny hoe “zarazaraina samihafa ny fanomezam-pahasoavana” ary amin’ ny andininy farany izay novakiana teo andininy faha-11 dia ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany zarazaraina ho azy rehetra araka ny sitrapony, izany hoe ny Fiangonana ao anatin’ ny Fiangonana dia misy ireo fanomezam-pahasoavana ireo izay entin’ Andriamanitra ho fampandrosoana, fitaizana ary hitomboan’ ny fiangonana amin’ ny fahalalana tsara sy ny sitrapon’ Andriamanitra dia ny Fanahy miasa ao anatin’ ny Fiangonana.
Efesiana  4 : 11-16 : manazava ihany koa ny amin’ ireo fanomezam-pahasoavana samihafa arak’izay nomena ny Fiangonana ihany koa. Na tao Korinto na tao Efesosy dia Fiangonana no nivatanan’izao teny izao Efesiana  4:11-16 hitantsika eo koa izany fa misy koa ny hoe : nomena ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho Mpaminany, ny sasany ho Evanjelisitra, ny sasany ho Mpiandry, ary ho Mpampianatra, ireo rehetra ireo izany dia fanantanterahann’ ny Olona Masina ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny Fiangonana amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy, dia misy zavatra tsindriana izany eo ao anatin’ny hoe ireo Fanomezam-pahasoavana izay nomena araka ny anjarany avy izay araka izay voatanisa eto amin’ ity Efesiana took  faha-4  ity, fa  misy teny anankiray ao izay mety manaitra antsika : ny sasany dia ho “Mpiandry” ka azo lazaina hoe misy izay antokon’olona izay izany hoe Mpiandry dia raisintsika avy hatrany ny hoe io no ao anatin’ ny hoe Sampana Fifohazana mampamelona ho fampandrosoana ny Fiangonana, ny teny anankiray azo jerentsika ihany koa raha resaka fanomezam-pahasoavana dia ny ao amin’ ny Romana 12 andininy faha-6 : eo izany ny hoe satria manana fanomezam-pahasoavana samihafa isika araka ny fahasoavana izay nomena antsika dia misy hoe “raha faminaniana dia aoka atao amin’ny finoana ho amin’ ny fanompoana ny fiangonana.

Hohazavaintsika avy hatrany izany ny hoe: ny fanomezam-pahasoavana ny amin’ ny maha-mpiandry dia misy araka ny teny hoe fanompoana ny fiangonana, dia misy an’ izay fanomezam-pahasoavana izay izany entina ao amin’ ny Fiangonana natsangan’ Andriamanitra mba hikendry indrindra ny fampandrosoana ny Fiangonana, ka dia ao anatin’ izay rehetra izay dia araka ny voalaza tao amin’ ny Efesiana izay novakiantsika teo aloha dia ny hoe : mba tsy hailangilan’ ny rivotra sy ny fampianarana samihafa rehetra ataon’ ny olona ka manana anjara toerana eo amin’izay fanomezam-pahasoavana izay eo amin’ ny sampana Fifohazana izany izay nomen’Andriamanitra izay anjara toerany izay izy ho entiny manantanteraka ny fampandrosoana ny Fiangonana indrindra indrindra mba tsy ho rembin’ny bibidia na ny fampianarana samihafa ho entiny miorina miady amin’ilay fahavalo dia satana handravana ny fiangonana ka manana ny anjara toerany lehibe izany ity fanomezam-pahasoavana ity ao anatin’ny Fiangonana satria mbola Fiangonana no iasantsika amin’izao, izany hoe raha valiana tsotra izany ny fanontaniana voalohany hoe : samy hafa ve ny fiangoanana sy ny Fifohazana dia tsy zavatra roa samihafa ireo fa ny Fiangonana dia miorina arak’izay nokendren’Andriamanitra taminy dia ny Fiangonan’ ny Olona Masina dia ny hoe fiantsoan’Andriamanitra ny olona rehetra ary ao anatin’ izay Fiangonana izay anefa dia misy fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra, ao anatin’ ny hoe nozarazaraina samihafa ny fanomezam-pahasoavana ary anisan’izany ny Fifohazana izany dia ao anatin’ ny Fiangonana izy fa tsy ivelan’ ny Fiangonana. Dia raha mipetraka izany ny hoe zavatra roa samihafa io fa zavatra roa mifameno ary ao anatin’ ny Fiangonana ny Fifohazana.

- Mipetraka izany ny fanontaniana faharoa hoe “fa maninona ny Fiangonana no mila Fifohazana?”.Efa somary voavaly ihany io satria fanomezam-pahasoavana izay ananan’ny Fiangonana ny Fifohazana kanefa misy lafiny anankiray izay azontsika, mety ho fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe ny Fifohazana ve izany amin’ ny maha-rafitra azy dia ao anatin’ ny Fiangonana izy kanefa koa ny Fifohazana raha mijery azy koa dia mipoitra ivelan’ ny fiangonana ihany izy , raha ny tantara izany dia ireo Ray aman-dReny izay nipoiran’ny fifohazana dia olona niala avy tamin’ny fanompoan-tsampy izy, Dada RAINISOALAMBO izay mahafantatra ny tantarany dia tao anatin’ ny fanompoan-tsampy tanteraka izy no nantsoin’Andriamanitra, tao anatin’ ny fanompoan-tsampy ary rehefa niala tamin’ ny fanompoan-tsampy izy vao natao Batisa izay vao  niditra tao amin’ ny Fiangonana, ary io anefa izay  fialany tamin’ ny fanompoan-tsampy izay dia niteraka fifohazam-panahy teo amin’ny fianakaviany, teo amin’ny manodidina ary teo amin’ ny fiainany manontolo manokana, ka raha jerena izany dia hoe ny Fifohazana miainga avy aty ivelan’ ny Fiangonana ihany koa, dia eo izany ny hoe : ny Fifohazana raha ny fanazavana entin’ ity boky mangamanga ity izany  (ny mpiandry na ny mpiomana na ho antsika rehetra aza tsy maninona izany)  dia mazava tsara fa hoe ny fifohazana moa dia apetraka hoe ; asan’ ny fanahy Masina na vokatry ny fanahy Masina, ka raha tao anatin’ ny niorenan’ny Fifohazana Malagasy, hitantsika na ny tantaran’ny Dada RAINISOALAMBO, na ny tantaran’ny Neny RAVELONJANAHARY, na Dadatoa RAKOTOZANDRY (Pastora RAKOTOZANDRY Daniel), na Mama VOLAHAVANA Germaine dia olona tsy tao anatin’ny Fiangonana fa taty ivelan’ ny Fiangonana afa-tsy Dadatoa RAKOTOZANDRY  no natsoin’i  Jesosy hitondra fifohazana tao amin’ ny Fiangonana, ka io izany dia asan’ ny Fanahy Masina, vokatry ny asan’ ny Fanahy Masina kanefa ny asan’ ny Fanahy Masina dia ny mitaona ny olona ho amin’ ny Fiangonana izy ao amin’ny Fiangonan’ny olona Masina, ka raha nanangana ireo Ray aman-dReny ireo Jesosy tamin’ ny alalan’ireo Ray aman-dReny efatra ary  mbola mitsangana ny toby lehibe efatra, fototra efatra lehibe no nanorenan’i Jesosy ny fifohazana sy nananganany ny asan’ ny Mpiandry raha teto amin’ ny firenentsika no zohina : ny tenin’ Andriamanitra sy ny fampianarana nomen’i Jesosy tamin’ ny alalan’ireo Ray aman-dRenim-pifohazana  : Dada RAINISOANAMBO, Neny RAVELONJANAHARY, Mama VOLOHAVANA Germaine , Dadatoa RAKOTOZANDRY Daniel, izay izany no voalohany : ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fampianarana nomen’ireo Ray aman-dReny izay natsangan’ ny Tompo tamin’ ireny toby lehibe efatra ireny, dia ny faharoa dia ny hoe ny firaisany amin’ ny Fiangonana, ny fahatelo dia ny hoe : Firaisan’ ny Fifohazana ny fahaefatra dia ny Fiangonana sy ny firaisan’ ny tobim-pifohazana amin’ ny toby lehibe Soatanana, Ankaramalaza, Manolotrony, Farihimena. Ireo izany no fototra lehibe ny amin’ ny atao hoe Fifohazana ka itantsika eto ny voalohany teo hoy aho dia ireo fiantsoana, ireo olona ireo antsoin’ Andriamanitra manokana izy ao anatin’ ny fotoan’andro ao anatin’ ny fotoana anankiray  iantsoan’ i Jesosy azy kanefa ny zavatra mahagaga na Dada RAINISOALAMBO, na Neny RAVELONJANAHARY, na Mama VOLAHAVANA Germaine, dia nampidirina tao amin’ny Fiangonana tsy ivelan’ ny Fiangonana ny Fifohazana fa ao anatin’ ny Fiangonana ka raha miresaka ireo Ray aman-dReny ireo isika dia itantsika fa Dada RAINISOALAMBO  dia avy amin’ ny Fiangonana Soatanana, Fiangonana Loterana no nanorenana izany toby izany ary tao koa i Neny RAVELONJANAHARY tao anatin’ ny Fiangonana FJKM, Mama VOLAHAVANA Germaine (Nenilava) tao Ankaramalaza tao amin’ ny Fiangonana Loterana, na Dadatoa RAKOTOZANDRY Daniel tany amin’ ny toby Farihimena izay Fiangonana Loterana; rehefa miresaka ireo Ray aman-dReny ireo dia misy saina avy hatrany hoe : ao anatin’ ny Fiangonana izy , ary io indrindra no tenin’ ny Mama VOLAHAVANA matetika ny hoe “Tsy mahay miasa irery aho fa ao ianareo Mpiandry ary indrindra fa ianareo Pastora no tena miara-miasa akaiky amiko “ hanatanteraka ny  baikon’i Jesosy ny amin’ ny fanorenana ny Fiangonana ka zava-dehibe loatra io dia araka izay   teniny izay hoe tsy haiko  hoy izy ny tsy miara-miasa amin’ny Pastora satria izy sy ny Mpiandry no nomen’i Jesosy hiara-miasa amiko, hitantsika amin’izay izany fa dia zava-dehibe loatra izay asan’ny Fifohazana izay, kanefa araka ny fanazavako teo:  mirafitra ao amin’ ny Fiangonana izy, ny rafitra amin’ ny Fiangonana io izany dia zavatra lehibe io, ary antoka lehibe ho an’ny fifohazana ny  firaisana amin’ ny fiangonana, ny zavatra manahirana mantsy dia izao, azo lazaina hoe raha ny nifohazan’ i Dada RAINISOALAMBO, dia raha ny zavatra nataony dia zavatra ngezabe, ary afaka nanorina Fiangonana ho azy mihintsy ary izy hoe Fiangonam-pifohazana, Fiangonana tsy miankina amin’ ny Loterana na ny FJKM, fa ny nahagaga dia ny Tompo mihintsy no nitaona azy hoe mirafitra amin’ ny Fiangonana fa tsy mahaleo tena, azon’ ny fifohazana atao mihintsy ny mahaleo tena satria matanjaka ary mahery izy, tamin’ ny fotoan’ andro moa nitambatra ny FLM sy ny FJKM  dia rehefa nahaleo tena ny FPMA  tamin’izay fotoana izay hoe izahay dia tsy hiankina amin’ ny FJKM sy ny FLM intsony fa aleo izay hanana ny fahaleovan-tenanay dia notsofin’ ny FFPM rano izy dia tamin’ izay fotoana izay koa dia ny hoe : ahoana izany ny fifohazana satria ny Fifohazana koa niasa tao amin’ ny FPMA tamin’ ny fotoan’androny mbola nitambatra ny FLM sy ny FJKM, rehefa nitsangana ary ny Fiangonana Loterana dia nitsangana ny Sampana Fifohazana Loterana tao anatin’ ny FLM, dia tamin’izany indrindra ny hoe matanjaka ity fifohazana ity, nivory ny Komitin’ ny FPMA tamin’ izay dia hoe dia aleo koa isika mba, tsy ho foanantsika fa ho tazonintsika ny fifohazana ny fa fifohazana FPMA izany satria tsy nisy hoe toby iankinany , na hoe aiza no iankinany fa dia hoe izahay hanangana fifohazana koa ny FPMA satria natahotra ny izy hoe natanjaka be ny fifohazana ka raha miala ato ny Loterana satria izay no tena basen’ ny Fifohazana tao dia nanangana koa ny FPMA satria ihazonana ilay membre na hoe “clientele” ka hitantsika ao izany mitantara izany aho fanenjahana sanatrian’izany fa  ny tiako holazaina dia hoe natanjaka ny fifohazana, ka raha ny fifohazana izany no miala amin’ ny Fiangonana dia mety mareforefo ny Fiangonana avy eo,  izay no tena aim-panahy tadiavin’ ny olona ao amin’ ny Fiangonana, ny tiako holazaina dia hoe matanjaka ny fifohazana kanefa ny Tompo raha nanoro ireo Ray aman-dReny ireo dia nataony mirafitra ao amin’ ny Fiangonana  ka izay no zava-dehibe hoe : ny firaisany amin’ ny Fiangonana, izany hoe ny Fifohazana izany dia tokony tsy hisaraka mihintsy amin’ny Fiangonana fa io koa no antoka ho azy ary tsy hampivily azy. Gaga ny tany Afrika na ny  toeran-kafa any Amerika koa ny hoe fa maninona ny Fifohazana no voatazona ao amin’ ny Fiangonana, fanontaniana mipetraka amin’ ireo Ray aman-dRenintsika izay mitety izao tontolo izao rehefa manao famelabenarana izy hoe ny Fifohazana eto Madagasikara, dia ny fanotanian-dry zareo hoe fa maninona no voatazona ao amin’ ny Fiangonana ny Fifohazana fa ny any amin-dry zareo izany rehefa misy fifohazam-panahy dia tena mitsangana ary manorina Fiangonana hafa mihintsy fa tsy miankina amin’ ny Fiangonana izay misy, fa tena manorina Fiangonana ho an’ ny tenany satria tena matanjaka be ny Fifohazana, nefa ny zavatra hitan-dry zareo, tsapan-dry zareo fa misy fiviliana ny amin’ ny finoana, tsy mitombina tsara satria tsy voataiza. Eo izany no tiako ahatongavana amin’ ny fanontaniana fahatelo hoe : Nahoana ny Fifohazana no mila Fiangonana, ary eo indrindra no tena mipetraka fa na i Dada RAINISOALAMBO, na Neny RAVELONJANAHARY, na Mama NENILAVA ary tena niteny izy hoe tsy haiko ny tsy miara-miasa amin’ ny Pastora, ireo no nomen’ i Jesosy ahy , ary amin’ ny maha-Fifohazana ny Fifohazana raha resaka toby izany satria ny Fifohazana dia misy toby iorenany koa ary ny fiorenan’ ny toby amin’ny maha-toby azy dia ny fisian’ ny Fiangonana, ny fisian’ ny Pastora ao amin’ ny toby, fa raha tsy izany dia tsy azo ekena ho toby ny toby raha tsy misy Fiangonana sy Pastora, satria ny atony dia satria ireo no mitaiza, ireo no mampianatra ny Mpiandry, mampiofana ny Mpiandry mba hahazaony manantanteraka an’ilay  fanomezam-pahasoavana entiny mampandroso ny Fiangonana. Ka izay ilay voalaza ao amin’ ny Koritiana toko faha-4 hoe zarazaraina ny fanomezam-pahazoavana misy mpampianatra, misy Mpiandry, misy Evanjelisitra, ireny anefa dia miaina ao amin’ ny Fiangonana mandrakariva.                                                  

Raha ny Mpiandry izany no anontaniana hoe taiza ianao no niofana, tsy hilaza  izy hoe nilatsahan’ ny Fanahy Masina dia tonga dia voalaza ao amin’ ny Baiboly hoe : rehefa mino ianao dia afaka mametra-tanana,anefa misy zavatra tsy maintsy arahina, misy rafitra ao izay napetraky ny Tompo amin’ ny hoe : zarazaraina samihafa ny fanomezam-pahasoavana  dia  misy fiofanana ho  an’ ny Mpiandry izany mianatra 2 taona izy , rehefa avy mianatra 2 taona izany izy dia atokana izy izay vao afaka manao ny asa maha-Mpiandry azy, izay izany dia fitaizana napetraky ny Tompo ny fifohazana mila ny  Fiangonana, zavatra tsy azo atao ambanin-javatra izay ary  dia io no tsy azon’ ny aty hoe manao ahoana ny dikan’izay, matetika mantsy rehefa tonga ny ady hevitra, dia ny hoe izany Fiangonana izany anie dia Fiangonan’ ny olona Masina eh, fa inona moa no antony androahana  devoly : tena misy mihintsy, tena misy mihintsy miteny ny Pastora hoe tsy mila izany akory fa ny kristiana rehefa vita batisa dia voavonjy, nefa mipetraka ihany ny fanontaniana hoe misy Kristiana mijangajanga, misy Kristiana mangalatra, misy Kristiana manompo sampy aza, dia ahoana ireny misy devoly sa tsy misy, napetraky Jesosy ny asam-pifohazana, ny asan’ ny Mpiandry mandroaka izany asan’ ny filan’ ny nofo izay tsy vokatry ny Fanahy Masina fa vokatry ny asan’ ny nofo, dia mbola manjaka ao anatin’ ny Fifohazana na dia vita batisa aza izy, dia indraindray moa ry zareo tsy manan-kavaly loatra ny amin’izay fa sahiran-tsaina eo ihany izy hoe : Kristiana izany dia tsy misy devoly  intsony, tsy mangalatra intsony, tsy manao na inona na inona intsony, tsy mandainga intsony sns… kanefa misy izany fahalemena ka io amelan’ i Jesosy ny asan’ ny Fifohazana  ao anatin’ ny Fiangonana, ary  io moa dia tsy takatry ny saina moa fa io no nataon’ i Jesosy hoe fanomezam-pahasoavana anankiray : ny Fifohazana natsangan’i Jesosy, matanjaka kanefa dia miasa ao anatin’ ny Fiangonana, araky ny rafitra izany dia ny hoe Fifohazana dia sampana  izy ao amin’ ny Fiangonana :sampana Fifohazana izany hoe entina mampandroso ny Fiangonana izay tenan’ i Kristy.

Dia mazava ho azy ireo fanontaniana telo ireo izany dia ny hoe :zavatra roa mety samihafa ihany ny Fiangonana sy ny Fifohazana kanefany tsy afaka misaraka toy ny vary sy rano hoy isika Malagasy ery tena mifameno. Raha ara-drafitra izy ny Fifohazana dia sampana ao amin’ ny Fiangonana, ara-drafitra izay ka ny Fiangonana mila ny Fifohazana satria io no fanomezam-pahasoavana anankiray izay ho entin’ Andriamanitra mampandroso ny Fiangonana, anisan’ ny “moteur” anankiray izany ny Fifohazana mampandroso ny  Fiangonana. Misy moa ny tenin’ny sasany hoe : ny Fiangonana tsy misy asan’ ny fifohazana dia Fiangonana matory, asa na izay koa ary no nahatonga ilay hoe mifohaza r’ilay matory , mitsangana ry tenan’ ny maty fa hanazava anao Kristy, manainga ny sampana Fifohazana satria ao anatin’ity thèmentsika ity moa izany ny Sampana Fifohazana na ny FIFIL dia sady manana anjara amin’ ity isan-telovolana ity sady manainga ny sampana Fifohazana hanao izay hetsika izay nametrahan’ ny Tompo azy izay  mba tsy hatoritory ary anisan’ izay koa moteur anankiray koa izy amin’ ny hoe “Jesosy hampifoha ny olona” ao anatin’ ny Fiangonana. Na tao Efesosy, na tany Romana na tany Korinto tsy teny ivelany anie no nanorantan’ i Paoly ireo fa tao anatin’ ny Fiangonana dia satria mbola ao ny asan’ ny nofo izany  miady, araky ny fanazavana sy fampianarana  teo dia misy ny atao hoe asan’ ny Fanahy, asan’ ny maizina ka isika indraidray dia mbola mitoetra ao anatin’ ny asan’ ny nofo matetika dia mila fohazina izy, indray andro izay dia napetraky  ny olona tamin’ ny Mama Nenilava tao Farihimena : fa maninona moa no fisian’ny Fifohazana, dia hoy izy tamin’izay mazava tsara ny teniny hoe : mba hialan’ ny olona amin’ ny fahazarana, mandeha mivavaka dia zatra dia ohatry ny hoe fahazarana ihany ilay izy fa ny Fifohazana izany dia manaitaitra ny olona, mamoha ny olona, izany moa ao anatin’ izay theme izay koa ny hoe ny Fifohazana mamoha, mampitsangana ny olona mba tsy ho varimbariana fa mba hitodika amin’ Andriamanitra ary mandroaka ny fanahy maloto izay mety manafika antsika, mety mamono antsika aza,  nefa isika dia ao anatin’ ny fahalemena ihany , na izany na tsy izany aza dia mila fanaintairana ny fanomezam-pahasoavana izay nomena an’ ireny Mpiandry ireny izay nomena ny Fifohazana mba hamerina ny olona amin’ Andriamanitra ka mazava ho azy mba  hampifoha  ny olona izany hialan’ ny olona amin’ ny fahazarana, ialan’ ny olona amin’ ny fanompoan-tsampy, ialan’ ny olona amin’ ny zavatra mety mamatotra azy, na dia  Kristiana vita batisa izy dia aza misy zavatra mamatotra mety mamatotra ny olona azy  ary io no anirahan’ i Jesosy ny Fifohazana mba handroaka izany, mba hitondra fahazavana, izany hitondra fahafahana, hitondra fanasitranana amin’ ny olona tsirairay avy, indraindray moa rehefa tonga ny asa sy fampaherezana dia miala ny sasany mivoaka , ny sasany moa mbola mijanona fa menatra angamba na  maninona, izaho angaha misy devoly, sa izaho angaha naninona fa tsy izay no saina hoentina fa hoe manam- pahavalo isika ary io dia tenin’ i Jesosy nilatsaka tamin’ ny varatra izay mikororoka anareo, inona moa ny dikan’ ny hoe mikororoka, izany hoe ataony izany izay hampihozongozona anao amin’ ny fomba rehetra, izay no fahavalo ka io tsy maintsy roahina io, ny fahavalontsika dia tsy mionona akory na hoe araky ny nofo ary tsy mitolona amin’ ny nofo isika, nofo aman-dra hoy i Paoly Apostoly fa mitolona amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra , ka io mila roahina io ka rehefa mandrebireby antsika io, ka misy olona sasany rehefa lasa lavitra loatra tsy miangona izy dia lasa itoerany lasa “possédé”  ka io izany mandrebireby anao io dia lasa mety ho stressé ianao dia lasa terrain favorable ho an’ ny devoly ka io tsy maintsy roahina ka izay izany ny asan’ ny Fifohazana ao anatin’ ny Fiangonana kia hitantsika eto fa zavatra tsy maintsy mifameno ireo, tsy maintsy mifameno na ara-tantara na ara-drafitra dia tsy misaraka ny Fifohazana sy ny Fiangonana, ny Fiangonana sy ny Fifohazana.

Betsaka moa ny zavatra azo lazaina mikasika ity Fiangonana sy Fifohazana ity fa zavatra anankiray tandremana izany amin’ izao androntsika izao dia ny Fifohazana tsy miankina : misy izany no antokom-pifohazana mandoa, inona moa no antony nipoiran’ ny hoe Fifohazan’ ny mandoa tamin’ ny fotoana izany dia tao Farihimena dia niasa ny Fifohazana tao anatin’ ny Fiangonana  Loterana, dia niasa, dia nisy groupe anankiray satria izany any ankalamanjana no miasa, dia nisy groupe anankiray noroahana teo ny devoly dia nandoa be mihintsy ny olona, ka rehefa nandoa be ny olona dia sitrana tanteraka dia noraisin-dry zareo hoe ny olona rehetra dia tsy maintsy mandoa dia izay vao sitrana dia lasa fifohazan’ ny Mandoa izany izy izay Fifohazana tsy miankina, manana ny Fiangonany koa izy sy ny sampana Fifohazana. Dikan’ izay tsy miankina amin’ ny Fiangonana loterana fa manana  ny azy manokana any, io koa izany dia tena zavatra tandremana satria izay zavatra izay dia tsy araka ny sitrapon’ Andriamanitra fa tena miala amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra na dia hoe Fifohazana aza izy .

Amin’ izao fotana izao dia misy manao hoe ny Mormone dia Fiangonam-pifohazana, io koa dia danger anankiray dia tena tsy sitrak’ Andriamanitra fa mivily, ny zavatra tiako ho lazaina dia hoe ny Fifohazana izany dia miaraka amin’ ny Fiangonana izay nanorenan’ Andriamanitra azy tamin’ ny voalohany avy eo ara-tantara, io tsy miova io ary zavatra miorina amin’ireo ny Fifohazana sy ny Fiangonana , dia ireo toby lehibe efatra, ireo Ray aman-dReny efatra ireo ary ny Fiangonana iorenany dia zavatr a tsy miova ka izay no ilazako hoe mila mitandrina koa isika amin’ ity hoe : Fiangonam-pifohazana miorina atsy sy aroa ireo fa tsy sitrapon’ Andriamanitra izany, dia mampitandrina antsika koa ny hoe Fifohazana tsy miankina amin’ ireo toby lehibe efatra izay nanorenan’ Andriamanitra azy tamin’ ny voalohany ny maha-Fifohazana ny Fifohazana.

 

Fanontaniana :

Atoa RADO Hery Andriamasy :
Ny ahy izany ny amin’ ny lafiny  hoe  ny mission’ ny Fiangonana moa izany dia ny Fitoriana ny Filazantsara, ny famerenana ny olona ho ao amin’ i Kristy dia ny Fifohazana dia amin’ ny lafiny izay indray ao koa ny asan’ ny Fifohazana sy ny fitoriana ny Filazantsara

Pastora  :
Raha amin’ ny lafiny pratique izany ao amin’ ny Fiangonana Loterana misy ny atao hoe Tafika Masina izay manana ny departementany manokana  dia ny TMM , ao anatin’ io anefany dia ny fanaovana tafika masina ary dia matetika izany ny atao hoe mpamaky lay, ny mpamaky lay dia mamangy ny Fiangonana, mamangy Tanana anankiray dia matetika izany ny Fifohazana no voalohany indrindra ao anatin’ ny fikambanana Tafika Masina, izany hoe manana ny anjara toerana ihany koa izany izy amin’ ny tafika masina, nefa izay izany tokony hipetraka koa ao amin’ ny Fiangonana sy ny sampana tsirairay avy, ny sampana tanora, na sampana Fbl izy, na sampana Fifohazana, na sampana Sekoly Alahady na sampan Fdl izy dia manana koa karazana department kely ho azy ao amin’ ny tafika masina, ka ny Tafika Masina tsy hoe fitoriana ny Filazantsara, hamerenana ny olona, mifanohitra mihintsy amin’ ny maha-Fifohazana ny Fifohazana fa tena manana anjara toerana izy ny Fifohazana amin’ ny Tafika masina ka manana mission izany ny Fiangonana ary manana mission koa izy any ivelan’ny fiangonana

Mbola tsy nametrahan’ ny olona fanontaniana ve ianareo hoe : inona io fifohazana io araky ny fampianarana azontsika teo izany no amaliantsika azy ary azontsika avaly azy tsara izay ; ARY TSY MENATRA ny amin’ izany isika  satria raha isan’ ny Fiangonana mandroso dia ny Fiangonana Malagasy ny aton’ ny fisian’ ny fisian’ ny Fifohazana ary io no zavatra mahagaga dia ny hoe ny misiona  Norveziana ary te haka tahaka izy hoe manao ahoana tokoa moa izany Fiangonana aty Madagasikara izany fa toa miroborobo be, inona ny antony fantany ihany hoe noho ny fisian’ ny fifohazana dia misy amin’izao fotoana izao izany miofana ao  Ankaramalaza ary mipetraka matetika izany ireo fanontaniana ireo hoe fa maninona ny Fifohazana aty Madagasikara no tena matanjaka ary voahazaona ao anatin’ ny Fiangonana.

Atoa ANDRIAMASY Manitra:
Miresaka fifohazana isika izao fa inona moa izany no atao hoe “olona mifoha”

Pastora :
Inona moa no atao hoe Olona mifoha : raha aran-kevitra izy dia olona nandray ny batisa ary izay araka ny baikon’ i Jesosy hoe : mandehana ka ataovy mpianatra ny firenena rehetra dia manao batisa azy amin’ ny anaran’ ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, ny olona vita Batisa izany par definition dia olona mifoha izy  satria eo no nandraisana azy ho zanak’ Andriamanitra, ao amin’ ny Batisa no nandraisany  ny Fanahy Masina, nandraisany ny famelan-keloka ka dia azo lazaina hoe olona mifoha izy, dia izay izany par definition “Olona vita batisa”.

Dia mipetraka ny fanontaniana hoe “fa maninona no mbola fohazina indray nefa efa vita Batisa, ka izay no mahatonga ny Frantsay manao hoe tsy mila izany Fifohazana izany intsony, saingy izao hoy ny tenin’  i Jesosy anankiray hoe manao Batisa azy amin’ ny anaran’ ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina ary mampianatra azy. Misy sangisangy zary tenany nataondry zareoihany hoe impiry miditra am-piangonana moa ry zareo aty Europe aty : rehefa atao batisa, rehefa atao kofirmasiona, sy mariazy dia rehefa maty, na izy izany rehefa natao batisa dia avy eo tsy hita intsony , ny sasany aza tsy atao kofermasiona intsony fa misy ihany manao, rehefa vita indray izay dia tsy hita ,dia rehefa maty indray, indraindray ary ny sasany tsy nahavita adidy tao am-piangonana dia eny am-baravarana ihany fa tsy ampidirina any anaty fiangonana ny dikan’izay izany dia tsy tafiditra ao am-piangonana ny razana fa eny ivelany satria tsy nahavita adidy izany tamin’ ny fahavelony. Izay izany no tiako ho tenenina hoe matory izany ilay olona na dia mifoha ary izy ka dia misy ilay fanoharana nataon’ i Jesosy hoe Ilay zanaka adala : zanaka tao izy zanak’ Andriamanitra izy kanefa rehefa zanaka izy dia lasa nandao, lasa nandeha izy ka rehefa tonga tany izy dia tonga saina, dia niverina indray tamin’ Andriamanitra. Ny fiverenana amin’ Andriamanitra dia mahatsiaro tena indray izany ny  olona dia io indray izany no atao hoe fitsanganana amin’ ny maty, tonga ny fahazavanao, izany hoe efa nifoha ihany izy fa natory izay izany ny Fifohazana .

                              Pastora Edmond RAHARIJAONARIVELO

miverina eny ambony

 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement