FLM Marseille-Mazargues
  Fampianarana FDL
 


" Fikambanan-Dehilahy : Velona ao amin'i Tompo "

Septanbra 2018:

Ezekiela 36 : 21-24“21 Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin’ ny taranak’ Isiraely tany amin’ ny firenena izay nalehany.22 Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’ Isiraely, fa noho ny anarako masina, izay nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa izay nalehanareo.23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ ny ataoko aminareo
24: "Fa halaiko avy any amin’ ny jentilisa hianareo ary hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ ny taninareo.”Izany teny izany no iarahabako antsika tonga eto androany.
Raha dinihantsika tsara io andalan-tsoratra masina io dia izao no azo amintinana azy : "Andriamanitra hanova sy hanavao antsika amin'nyalalan'ny teniny"Io tenin' Andriamanitra io dia mitarika antsika ho ao amin'ny KristyJesosy ary izany fanarahana an'I Jesosy izany dia mitaky fiovana syfahaterahana indray.Mandresy lahatra ny olona hanantona io teny io satria misy flainana aoamin'ny Kristy, ary Izy tenany no Fiainana.Fa raha ao amin'I Kristy tokoa isika dia amboariny sy avaozinyisan'Andro, isan'ora, isam-potoana, fa hoy ny Apostoly Paoly "Raha misy olona ao amin'i kristy dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatrataloha, indreo efa tonga vaovao ireo (II Kor. 5-17)Mba ahatonga antsika ho olom-baovao anefa dia Andriamanitrmihintsy no niezaka hanavao antsika fa tsy tongatonga ho azy izanyfanavaozana izany.
- Ny ezaka ombam-pitiavana lehibe voalohany nataon'Andriamanitra ahatonga antsika olombelona hiverina aminy dia ny fanomezany nyZanany lahy tokana hisolo ny helontsika teo ambony hazofijaliana.
-Manadio antsika ho afaka amin'ny fahontantsika Izy; "Ho fafazana rano ianaomba hadio" (Ezek.36.25). Efa nodiovin'Andriamanitratamin'ny alalan'ny Batisa isika, dia tamin'ny alalan'ny ranon'nyfanasan'ny flterahana indray. Andriamanitra no niteraka antsika, fa tsy dia fmiavantsika loatra. Tonga zanak'andriamanitra tanteraka isika; antsoiny hoe zanaka  malala, mpandova ny an'Andriamanitra Raintsika sy ny fiainana mandrakizay.
-Omeny fo vaovao isika zanany, fo vaovao ahaizantsika mankato ny teniny, ka ahafahantsika manao ny sitrapony. Mahatonga ny mino hiaina amin'ny fitiavana izany fo vaovao izany, dia ny fïtiavana ny namana, ny famonjena azy ho afaka amin'ny fahotana sy fitaomana azy handray ny famonjena, ny fandraisana andraikitra hampandroso ny asan'Andriamanitra.Satria fo nofo mitempo fitiavana sy faniriana hanao ny soa no omeny; ary fo mitady ny fomba rehetra hisian'ny fifankatiavana, lavitry ny fifandrafiana sy nyfitokotokoana, tsy Mankato ny fïsaraham-bazana. Fo faly mifandray amin'ny hafa mba hiara-mitady ny soa iombonana, lavitiy ny tombotsoan'olom-bitsy noho ny fiterahana indray; fo nofo fa tsy fo vato (Eziekela 36.26); fo nofo satria mitempo fitiavana, fïbebahana isan'andro, fandeferana, faharentana, Fo mahay mamela heioka. 
-Mbola omen'Andriamanitra "fanahy vaovao" koa ny mino.
Miara-dalana lalandava, mifandray hatrany ny fo vaovao sy ny fanahy vaovao. Tsy ananan'izao tontolo izao fahefana io fanahy vaovao io satria fanahin' ny Zanak'Andriamanitra. Mahay mamono ny tena izao tontolo izao, fa tsy manan-kery hamono ny fanahy, satria hoy Jesosy :"Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny Fanahy" Matio 10:28.
-Andriamanitra irery ihany no manana fahefana amin'ny fanahintsika, ka mahay manavao io fanahy io.-Ny Fanahy Masina ihany koa no hery sy fahefana mitarika antsika
hiaina amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ka mahatonga hanankery hanaoizany koa : "Handeha araky ny lalako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy" (Ezek.36:27).
Persona iray ao amin'ny Telo izay iray ny Fanahy Masina. Andriamanitra tokoa Izy. Ny asany dia Mpampahery,Mpitarika
Koa mazotoa mihaino, mandalina, mamaky ary indrindra miaina amin' izany Tenin'Andriamanitra izany fa teny fiainana ny teny rehetra izay avoakan'ny vavan'Andriamanitra (Mat 4.4) : tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra avoakan'ny vavan' Andriamanitra. Tsy manao fahagagana toy ny tamin'ny andron'ny Mpaminany intsony Andriamanitra, fa ny teniny no entiny miasa ao anantintsika ka anovany antsika.
Eto am-pamaranana dia te hahampatsiaro antsika FDL aho fa lehilahy avokoa anie ireo apostoly 12, mpanompo nahafatram-po tamin' ny fanarahana an'i Jesosy ka nametrahany fitokisana tamin' ny fotoana nandalovany teto ambonin' ny tany! Lehilahy ihany koa ny akamaroan'ireo Martiora velona ho an' I Tompo sy maty ho an' I Tompo ao amin' filazantsara toa an' I Stefana, ry Jakoba sy ny sisa maro koa, koa meteza isika FDL havaozin'ny Tenin'Andriamanitra ka tsy handevona ny talentantsika fa kosa hampitombo izany aniin'ny asa fanompoana niantsoana antsika ka rnba tsy hitenenana raisy ny anaran'Andriamanitra fa ho tena Fanasina sy torinteny velona eo anivon' ny Fiaraha-monina misy antsika. 
Koa efa voaovan'ny Fanahy sy ny tenin'Andriamanitra tanteraka isika dia aoka hiteny tsy hisalasala toa an'i Paoly Apostoly izay lehilahy toa antsika koa hoe :"Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko"

Ranaivoson Nirina Roberin 


Novambra 2014

Romana 14:8a: 
Izany teny izay hovelabelariana ho antsika fikambanan-dehilahy izany dia notsongaina indrindra tamin' ny bokin'ny Romana hoe : "Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo."Romana 14:8a 
Natao ho antsika Kristiana rehetra izany teny izany fa kosa fa isika Lehilahy Kristiana no tsindriako manokana eto mba hiorenantsika tsara ao amin' i Tompo ka ahatonga antsika ho velona marina ao aminy. 
Ho faritantsika tsotsotra ny atao hoe olona velona :Ny fahavelomana ara-nofo dia ho tsotra ny famaritana azy: matoa isika velona dia olona mbola miaina, manana fo mitempo izany hoe mbola tsy maty araky ny nofo.

Raha jerentsika tsotsotra koa, amin’ ny maha-olona ara-nofo antsika dia toa tsy dia sarotra loatra ny famaritana ity laha-teny ity satria ny velona ao amin’ ny Tompo dia azo lazaina tsotra fa isika Kristiana na isika Lehilahy miaina ao anivon’ i fiangonana, mahalala an’Andriamanitra ary manaraka sy mihevitra fa nahavita ny adidintsika eo amin’ ny fiangonana.
Maty noho isika anefa Jesosy Kristy, nefa tokony tsy ho adinontsika koa fa nitsangana tamin’ny maty izy ary velona ho antsika, ka raha izy zanak’ Andriamanitra aza nanaiky ho velona ho antsika, isika kosa mba ahoana?
Inona ary no atao hoe Velona ao amin’ I Tompo ary inona no takian’ I Tompo amintsika:
Tsy hijery zavatra lavitra isika fa hovaliantsika izany araka ny soratra masina ihany izany:

1°- Ny olona velona ao amin’ I Tompo dia izay manaiky fa ny fahavelomany dia avy amin’ Andriamanitra irery ihany

2° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, dia izay manaiky mitandrina ny didiny sy ny fitsipika napetraky Jehovah Andriamanitra

3° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, dia izay manana ny fanahy masina ary tsy mitoky amin’ny herin’ny tenany.

4° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, dia izay mino an’ I Jesosy ho tompo sy mpamonjy,

5° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, dia izay olona maty ao amin’ ny ota, fa velona ao amin’ ny fahamarinana

6° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, tsy maintsy manaiky mitondra ny hazo fijalian' i Jesosy Kristy.

7° Ny olona velona aoamin' i Tompo dia isika izay manao ny asany

 Ho raisintsika tsirairay ary ireo voalaza ireo araka ny voalazan’ ny soratra Masina:

 1°- Ny olona velona ao amin’ I Tompo dia izay manaiky fa ny fahavelomany dia avy amin’ Andriamanitra irery ihany.

Ara-tsiansa ny fahavelomana dia avy amin’ny fitambaran’ ny sela na cellule roa avy amin’ ny ray sy ny reny, nefa hatramin’ izao dia mbola tsy nisy mpandinika nahalala sy nanamporofo  hoe avy marina moa aiza moa Adama sy Eva.

Mahavaly izany zato isan-jato anefa ny tenin’Andriamanitra araka ny Genesisy 2:7 manao hoe : Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. Ary araka ny voalaza ao amin' ny Lioka 20:38 dia  tsy mba Andriamanitry izy ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.

2° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, dia izay manaiky mitandrina ny didiny sy ny fitsipika napetraky Jehovah Andriamanitra : Maniasia sy mivily lalana matetika isika olombelona, manamarin-tena ho olon’Andriamanitra nefa ve maharaka sy Mankato ny didiny. Voalaza anefa fa raha tena velona marina ao amin’ I Tompo isika dia tokony hanaraka ny didy sy ny fitsipika napetrany dia ny didy folo izany. Voalaza izany araka ny Levitikosy 18:5 manao hoe “Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah”. Sy ao amin’ ny Ohabolana 4:4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao.  

Amin’ ny maha-nofo antsika dia sarotra ny manantanteraka izany nefa raha manana ny fanahy masina isika dia izy no manantanteraka izany ka noho izany dia:

3° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, dia izay manana ny fanahy masina ary tsy mitoky amin’ny herin’ny tenany.manamarina izany ny teny araka ny

 Jaona 6:63 Ny fanahy no mahavelona; ny mofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.

Fa  ny  Fanahy masina dia miaraka amin' ny aina izany hoe miaraka amin'ny fahavelomana ao amin' i Tompo araka ny Jaona 20:22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny fanahy masina; noho isany isika olona velona ao amin' ny Tompo dia isika izay nandray ny fanahy masina ary aoka isika ho toa an' i Stefana izay lehilahy feno fanahy masina sy finoana Asa 6:5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny fanahy masina.

Araka ny voalaza ny olona velona ho an' i Tompo dia feno Fanahy masina ary ny olona feno ny fanahy masina dia feno fifaliana ao amin' i Tompo araka ny voalaza ao amin' ny Asa 13:52 Ary dia feno fifaliana sy ny fanahy masina ny mpianatra. sy ny voalaza ao amin ny Romana 14:17 manao hoe : Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny fanahy masina.

Voalaza ao amin' ny i Korintiana 12:3 fa tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny fanahy masina

Fa inona moa ny vokatry ny fanahy amintsika izay velona ao amin’ I Tompo:

Hitantsika izany ao amin’ ny Galatiana 5:22 manao hoe : “fa ny ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharim-po, fahalemem-panahy, fahamoram-po; tsy misy lalana manohitra izany”

4° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, dia izay mino an’ I Jesosy ho tompo sy mpamonjy, hitantsika izany araka ny Jaona 11:25 manao hoe Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ary koa ao amin' ny  Jaona 11:26 manao hoe Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay ary mbola hotohizantsika ao amin' ny Lioka 8:50 manao hoe Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy. Koa mila finoana isika mba ho velona amin' i Tompo ary " Ny marina amin' ny finoana no ho velona (Galatiana 3:11)

Tian' Andriamanitra hitoetra amin' izany finoana sy fahamarianana  izany isika, fa raha miala amin'izany dia ho very araka ny voalaza ao amin' ny  hebreo 10: 38 Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;" fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko”.

 5° Ny olona velona ao amin’ i Tompo, dia izay olona maty ao amin’ ny ota, fa velona ao amin’ ny fahamarinana

Satria voasoratra hoe : Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika (Romana 6:23) ka raha velona ao amin' i Tompo isika dia tokony ho faty ao amin' ny ota. Voalaza ao amin' ny Ezekiela 33:19 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.

Manarak'izany aoka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy araka ny voasoratra Romana 6:11

Mpanota isika rehefa tsy manaraka ny didin' Andriamanitra, velona ara-nofo isika fa kosa maty ao amin' i Tompo araka ny Romana 7:9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho. 

6° Ny olona velona ao amin’ I Tompo, tsy maintsy manaiky mitondra ny hazo fijalian' i Jesosy Kristy.

Araka ny   voasoratra ao amin’ ny IIKorintiana 4:11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy. Ko arak’ izany ny fahavelomana ao amin’ i Tompo dia hafa sy tsy mitovy amin’ ny fahavelomana ara-nofo. Ary koa  II Timoty 3:12 manao hoe  Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina. Manamafy izany ny Lioka 14:27 manao hoe : Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. ary araka ny voasoratra ao amin' ny Galatiana 2:20 dia mba ho sahy hilaza toa an' i Paoly isika Lehilahy hoe Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.  Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana (Galatiana 5:24) ary

 Iza no hahasaraka antsika iay velona amin'i Tompo amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? 

Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.araka ny IIKorintiana 12:10

Koa raha tena velona ao amin' i Tompo isika dia tsy tokony hatahotra fanenjehana, fa mifanohitra amin'izany tokony isika hijoro ho vavolombelona ary ny tenantsika ho torinteny velona amin'ny mpiara-belona amintsika.

7°-Ary farany izay zava-dehibe tokony tsy ho adinontsika indrindra dia isika  velona ao amin' ny Tompo dia manao ny asany amim-pitiavana hoy indrindra mantsy ny Tompo raha nanafatra faramparany ny mpianany:

Izay mino ahy izay ny asa ataoko no atony koa araka ny voalaza ao amin' ny Jaona 14: 12 manao hoe  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.,

Ny asan' Andriamanitra ry havana dia tsy voafaritra ho iray fa samy manana ny anjara fanompoana tandrifintsika isika arakaraky ny fanomezam-pahasoavana izay nomeny antsika fa nozarazaraina ho samy manana ny fanomezam-pahasoavana araka ny voalazan' ny IKorintiana 12:5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. koa ry lehilahy velona ao amin' i Tompo   Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.Romana 12:11

Fa raha tsy velona ao amin’ ny Tompo kosa ary isika dia inona no zava-mitranga: Ny Fahafatesana izay tsy avy amin’ny Tompo fa avy amin’ ny satana Jaona 11:25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Fa fahafatesana no tambin'ny ota (Romana 6:23)

 “Fa Io Fahafatesana io dia efa resin’ ny Jesosy teo ambony hazo fijaliana ary izay rehetra mino azy dia ho tsy handairan’izany fahafatesana izany Jaona 11:26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy hoy izy dia tsy ho faty mandrakizay Romana 6:10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.

Koa raha tsy velona ao amin' ny tompo isika dia maty eny na dia velona aza, ka araka ny voalaza ao amin' ny Romana 8:12-13 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. Fa raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoana ny asan'ny tena, dia ho velona hianareo koa aoka ny ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Romana 6:11

Araka ny tenin’ ny Jesosy ao amin’ ny Jaona, ny Fahaveloman’ I Jesosy dia fahavelomantsika Jaona 14:19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo. Koa ny fahavelomantsika dia ny fananantsika an’ I Jesosy velona ao amintsika, koa raha te ho velona ao amin’ I Tompo isika dia tsy maintsy manana an’I Jesosy ao am-pontsika. ary Lioka 20:38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra. 

Koa inona ary no valisoa ho antsika raha velona ao amin’ i Tompo isika : tsy inona fa ny fiainana mandrakizay rahatrizay, ety ant-tany dia fiadanana, fifaliana, fahasoavana  “fa ny ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharim-po, fahalemem-panahy, fahamoram-po; tsy misy lalana manohitra izany”

araka ny Ohabolana 22:4 Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.  ary koa  Jaona 5:24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. Ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.(Romana 6:23)
Ny  fiainana dia fahavelomana, koa noho izany izay velona ao amin’ i Tompo dia miaina sy manankina ny fiainany ao aminy
Koa ry FDL ankehitriny dia efa mbola  nomena tombon’andro isika hanovozana fahalalana, fahasalamana, hanarampo amin’ny fiainana, miarahaba mbola namindran’ Andriamanitra fo isika  ka ninia tsy nijery ny andro lasa nanontantsika izy , nonontantsika ka nivelomantsika tamin’ ny fanompoana an’ ny satana izy fa nanome tombon’ andro hibebahana sy hivelomana ho azy, satria ny mbola  fahavelomantsika tsirairay dia midika fa mbola misy takian’ Andriamanitra amintsika mbola misy adidy tsy vitantsika amin’ ny fanompoana azy ka tokony atao alohan’ ny fotoana adaozantsika ity tany ity ka anatrehana ny fitsarana araka izay efa nolazain’ Andriamanitra rahateo, ny mampatahotra mantsy dia izao amin’ny andro fitsarana dia tsy mitovy amin’ny fomba fijerintsika olombelona ny fijerin’ Andriamanitra, koa ankehitriny mba tsy hilazan' i Tompo amintsika amin' ny andro farany  hoe " Tsy Fantatro hianao" dia manomboha mivelona ao aminy fa tsara sady mahasoa izy ary mandrakizay ny famindrampony.Raha misy  olo- malaza , na mpanao-baolina malaza na mpitondra fanjakana dia mihazakazaka ny olona mijery sy midera sy mankalaza azy amin' ny maha-nofo antsika, amin’ ny andro fitsarana anefa dia tsy ny lazany, na ny baolina tafidiny teo ambony kianja na ny asa vitany teo amin'ny firenena no anadinana azy fa izay miafina tsy hitan’ ny olona tao am-pony lalina  tao sy tamin’ izay fomba niainany nitondrany ny fahavelomany tety ambonin’ny tany, mba tsy ahazoantsika fanamelohana amin’ izany andro fitsarana izany ary ry Havana ka hamonjena ny fanahintsika no andidian’ Andriamanitra antsika eto amin’ ity lahanteny ity mba ho velona ho an’ I Tompo

Koa raha velona ao amin' i Tompo tokoa isika dia Mino ny famonjena vitan’ I Jesosy tamin’ ny nandatsahany ny rany araka ny finoana maha-loterana antsika mahafehy tena tsy voasarangotry ny filanan’ izao tontolo izao mahafohy fotoana hanompoana an’Andriamanitra, manaiky hitondra ny hazo fijaliana sy hibaby fahoriana amin’ ny fanarahana ny Tompo, angamba hiteny anankam-po isika hoe Lehilahy nofo aman-dra ihany aho ka tsy ahavita izany na koa hoe betsaka ny manahirana ahy eo amin’ ny fiainana, tsarovy anefa fa I Paoly izay nanome ity baiko antsika ao amin’ ny romana ity ka nanoratra hoe raha velona isika dia velona ho an’ ny Tompo dia tsy anjely fa lehilahy toa antsika koa, lehilahy izay nanana ny zava-nanahirana azy koa, zavatra mampalahelo ry Havana dia ny mahita ny alona mandany ny andom-piainany amin’ny fiainan’ izao tontolo izao, amin’ ny fitadiavana laza sy voninahitra sy harena ihany koa amin’ ny fikatsahana ny ahazoan’ ny nofony fahafinarentana fa tsy mieritreritra ny famonjena ny fanahiny ka tsy te-ho velona ho an’ ny Tompo dia tsarovy fa efa maty sahady izy satria tsy misy fahavelomana ivelan’ny fahavelomana ao amin’ ny Tompo ka mitsanganko - olona izy ireny ka amin’ ny andro iray izay ahantamperan’ ny fiainany dia amin’ ny alahelo lehibe no ahatsapany fa nisambon-drivotra izy nandritra ny androm-piainany, nisambon-drivotra satria na ny harena, ny laza,ny voninahitra dia tsy nisy zakany nentina nanaraka azy akory, ny heriny , ny fotoany, ny fahavelomany rehetra dia laniny fotsiny nanangonany izay tsy maintsy avelany eo ambaravaran’ ny mandrakizay, ka raha tsy velona ao amin’ ny Tompo isika dia fotoana very foana ny fahavelomantsika eto ambonin’ ny tany, fotoana very ho an’ I filazantsara, fotoana very ao amin’ ny Krity, dia Kristy izay hanadina antsika amin’ ny nandaniantsiaka foana ny andro nahavelomantsika. Nisy ohatra mpihira malaza iray nandritra ny andràm-piainanay dia nankalazain’ ny olona izy nahazo vononahitra be, nahazo laza sy harena be, indray andro narary izy ka tsy afaka nihira intsony, teo ampialany aina dia izao no teniny : laniko tamin’ ny zavatra tsy nisy vidiny ny heriko, ny volako, ny androko eny ny fahavelomako dia laniko nanompoana ny satana Andriamanitra ô, maninona aho, te hamerina ny fiainako hatramin’ ny voalohany aho, nahatsapa izy ka nalahelo ny fotoana tsy nikarakarany ny fanahiny sy ny mandrakizaiany malahelo ny fotoana tsy mba nivelomany ho an’ ny Tompo, ry Havana  ô mety hipoitra avy ampontsika koa ve ny faniriana te-hamerina ny fiainantsika hatramin’ ny voalohany, rehefa tsampantsika fa tsy nety ny nitondrantsika ny andro  fahavelomantsika hatramin’izay saingy azo atao ve izany, azo atao ve ny miverina ao ankibon’ I Neny indray ka hateraka indray tsia tsy azo tanterahina intsony, tsy afaka miverin-dalana na mihemotra ny fotoana ary na hiverina aza ve ka averin’Andriamanitra amin’ taona 20 na 30 na 50 taona lasa isika dia azo antoka ve fa ho tsara noho ny voalohany ny fiainantsika faharoa tsia tsy azo antoka  izany fa ny ratsy noho ny teo aloha aza no ahiana satria miharatsy hatrany ny fiainana ary arakaraka ny anakekezana ny andro farany no mampasiaka ny devoly ka anjakan’ ny mpanao ratsy rehetra eny tsy azontsika atao ny mamerina ny fiainantsika taloha fa azontsika atao kosa ny manomboka fiainana vaovao dia ny fahaterahana vaovao ao amin’ ny fanahy masina na diaamin’izao andro sy ora izao aza, fiainana vaovao miaraka amin’ ny toem-panahy vaovao, fahavelomana vaovao ho an’ I Tompo, tsy mbola tara na firy taona na firy taona isika izao, ilay jiolahy aza teo ampialana aina teo ambony hazo ijaliana vao nanomboka  izany fiainana vaovao tao amin’ I Tompo izany nefa tsy tara maika fa isika, izao no andro famonjena, mbola mamindra fo ny Tompo maheno ny feony isika anio ka aza manamafy fo, aza andrasana ho rahampitso ny fiainana sy fahavelomana tokony atombokao anio, mandalo ny fiainantsika tsy misy vidiny hoy isika saingy misy vidiny kosa iny raha atolontsika ho an’I Tompo.

Eto am-pamaranana dia te hahampatsiaro antsika lehilahy aho fa lehilahy avokoa anie ireo apostoly 12, mpanompo nahafatram-po tamin’ ny fanarahana an’I Jesosy ka nametrahany fitokisana tamin’ ny fotoana nandalovany teto ambonin’ ny tany eh! Lehilahy ihany koa ny akamaroan’ireo Martiora velona ho an’ I Tompo sy maty ho an’ I Tompo ao amin’ filazantsara toa an’ I Stefana, ry Jakoba sy ny sisa maro koa, mba aiza anefa ny toeran’ Lehilahy fa ny vehivavy no maroan’isa amin’ ny fanarahanany Tompo , ny vehivavy no lohalaharana amin’ ny asa fanompoana isan-karazany, ry lehilahy Loterana ô manomboka anio ary dia andeha hiverina hanao ny asa voalohany niantsoana antsika ka ho velona ho an’I Tompo, ka tsy hiandry kapoka toa an’I Paoly vao hanaradalana ny Tompo, voaisa ihany ny androntsika ka araraoty izao anio izao fa ho Lehilahy sambatra isika amin’ ny fotoana iantsoan’ ny Tompo antsika raha manolotra ny fiainantsika ho an’I Tompo ka handre ny tenin’I Jesosy hoe: “ry mpanompo tsara sadymahatoky, midira amin’ny fifalian’ I Tomponao

Enga anie ho velon’ ny fanahy isika ka ho sahy hiteny toa an’ I Paoly hoe : “ tsy izaho intsony no velona fa Krity no velona ato anatiko”

Ho Voninahitr’ Andriamanitra irery ihany anie izay rehetra voalahatra teo.

 

Atoa RANAIVOSON Nirina Robertin
Filoha FDL-FLM Mazargues-FDL Fitandremana Marseille
Gazety "Ny FAHAZAVANA" FLM Mazargues

 


 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement