FLM Marseille-Mazargues
  Paska 2014: toriteny sy hira
 

TORITENY sy HIRA PASKA  2014

LIOKA 24 1.9: Ny nitsanganan’ i Jesosy tamin’ ny maty, sy ny nisehoany tamin’ ny mpianany, ary ny niakarany ho any an-danitra

1 Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ ny fasana.3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo.4 Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:7 Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.8 Dia nahatsiaro ny teniny izy.9 Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra.


Hira  KTLM: Olon'afaka izahay ry Jeso

Hira KTLM: Sambatra izahay, tretrika tokoa





 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement