FLM Marseille-Mazargues
  FIFIL
 

 
Sampana velona eto amin'ny FLM Mazargues Marseille ny Fifohazana. Ahitana mpiandry maromaro miandraikitra ny asa sy fampaherezana.
Ny isantaonan'ny FIFIl eto Frantsa dia ny 9-14 jolay any Pouru saint Remy


« Ny Firaisan’ny olom-boafidy no isehoan’ny voninahitr’Andriamanitra” . Rom.13 : 1-10

[Tenin’Andriamanitra nomen’i Jesosy tamin’ny 17 aogositra 1980. Fotoana voalohany nanokanana mpiandry teo ambany fitarihan’i Mama Volahavana Germaine: Nenilava raiamandreny]





TANTARAN’NY NIATOMBOHAN’NY ASA FIFOHAZANA SY NY FITOHIZANY TAO AMIN’NY TOBY POURU SAINT REMY

 Ny taona 1980, volana jolay no niandohan’ny asa tao Pouru, rehefa tonga nivahiny tao amin’i Dokotera  RANDRIAMBOLOLONA Simèon mivady i Mama Volahavana Germaine sy ireo vehivavy miaradia taminy, dia Ramatoa Rabarioela Lala sy Raharivelo Georgette.Ny Alarobia 9 jolay atoandro no nahatongavan‘i Mama Volahavana Germaine tao Pouru Saint Remy. Nanomboka tamin’io andro io ka mandra-pahatongan’ny fotoana nialany tao Pouru hitodi-doha ho any Madagasikara ny 25 oktobra 1980, dia tsy nitsahatra tonga ny olona na ny avy eo amin’ny manodidina, na ny avy lavitra; tonga tao avokoa na vazaha na malagasy, na ireo vao avy nandre ny momba ny asany mpanompon’Andriamanitra.

 Endrika efatra lehibe no nisehoan’izany asa izany:
-Ny DINIKA: isan’ny sokajim-panompoana nanana anjara lehibe teo amin’ny asan’i Mama Volahavana Germaine Nenilava sy ny famangiana nataony ny dinika. Mahatratra an-jatony ireo nangataka dinika taminy. Araka izay voalaza etsy ambony, ivelan’ny zanaky Mama efa nahalala azy, dia tao koa ireo frantsay, belza, ny  malagasy rahateo, sns….izay nanao dinika taminy
-Ny FOTOAM-PIVAVAHANA ARAHINA ASA SY FAMPAHEREZANA: tamin’ny ankobanandro, rehefa nisy olona nila asa dia natao ny fotoana; ny asabotsy sy alahady kosa dia nisy fotoam-pivavahana hatrany, satria tamin’ireny fotoana ireny no tonga maro ny olona avy lavitra izay nitady fampaherezana.
-Ny FAMANGIANA TOKATRANO: teo amin’ny manodidinan’ny Pouru Saint Remy, ary tonga hatrany Strasbourg mihintsy aza (22/08/80-28/08/80). Tamin’izany no nampaherezana tokatrano maro izay nangetaheta handre ny filazantsaran’i Jesosy Kristy.
Ny FANOKANANA MPIANDRY: araka ny voalazan’i Kristy tamin’ny raiamandreny Mama Volahavana Germaine Nenilava, dia voatendry ho Toby Pouru Saint Remy. Arak’izany dia hisy Fanokanana mpiandry izay ho tanterahina amin’izao famangian’ny mpanompon’Andriamanitra izao.
Ny Fanokanana voalohany dia natao ny alahady 17 aogositra 1980. Olona efatra no natokana tamin’izany, anisan’izany Andriamatoa Andrianasolo Jaona (komitin’ny Tobilehibe Ankaramalaza).
Ny Fanokanana faharoa dia natao ny alahady 5 oktobra 1980, anisan’ny natokana tamin’izany Dr Raoelison Helinirina (Raiamandrenin’ny Toby Pouru Saint Remy)
Toy izany no niatombohan’ny asan’Andriamanitra tao Pouru Saint Remy arak’izay nanendren’i Jesosy izany, ka notanterahin’i Mama Volahavana Germaine ho fiandohan’ny asa araka ny maha-Toby azy.

Ny taona 1997 nanombohan’ny Isantaonan’ny Fifohazana teo an-toerana, miafara amin’ny Fanokanana mpiandry vaovao, araka ny fanendren’i Jesosy, izay nampahafantariny tamin’ny alalan’i Mama Volahavana Germaine raiamandreny, dia izao no andinindininy mandrafitra ny asa eo an-toerana:

-Ny Toby Pouru Saint Remy dia miray ara-pifohazana amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza, ary amin’ny FLM ara-piangonana.

-Izy ihany no toerana eto Frantsa hanaovana ny Fanokanana Mpiandrymiray amin’ny Fifohazana Toby Ankaramalaza.

-Ny isan-taonan’ny Fifohazana dia ny 09-14 jolay ( andro nahaterahan’I Mama Volahavana Germaine).

-Ny raiamandreny voatendry hitondra ny toerana, misolotena an’Ankaramalaza, dia ny Dokotera Raoelson Helinirina.

-Misy koa ny komity iombonan’ny zanak’Ankaramalaza miandraikitra ny fitantanana ny raharaha ankapobe.

Natokana tamin’ny alahady 11 jolay 1999 ny Toby Pouru Saint Remy sy ny Fiangonana.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie ny nahazoana nanolotra izao tantara fohy izao, ary ho fahasoavana fahasoavana koa ho an’ny olona rehetra izay antsoin’Andriamanitra ho tonga eo.

          Nalaina tao amin’ny takelaky ny fandaharampotoan’ny Isantaona faha-19 (2016)






 
 
Copyright © FLM Marseille Mazargues.  2013 -
 
 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement